Socio-eco

Fandriampahalemana: Misy ny vahaolana maharitra


Hitondra vahaolana manoloana ny tsy fandriampahalemana  amin’ny lafiny rehetra toy ny vaky trano, halatra fiara… ny  “salon des produits  et solution de sécurité » (S’PSS). Hetsika andiany voalohany hiarahan’ny MADA JEUNE sy ID ALL COM mikararaka izy ity. Ny 13 sy 14 jolay 2018 ao amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina no hanatanterahana ny S’PSS. Hampivondrona ireo orinasa na matihanina amin’ny sehatry ny fiarovana ny tanàna na ny trano amin’ny alalan’ny fitaovana isan-karazany toy ny “vidéo surveillance”, “système d’alarme”… ity hetsika andiany voalohany ity. Ho hita mandritra ny roa andro ihany koa ireo fitaovana manaraka ny teknolojia hiarovana amin’ny halatra fiara na “moto” tahaka ny “géolocalisation”.

Natao ho an’ny orinasa na olon-tsotra ny S’PSS. Ho fiarovana  ny antontan-kevitra saro-pady ao amin’ny orinasa, ny ain’ny olona sy ny fananany amin’ny fanafihan-jiolahy na hain-trano…no tanjon’ny hetsika, araka ny fanazavan’ny mpikarakara. Ankoatra ny varotra fampirantiana dia hisy ihany koa ny famelabelarana arahina adi-hevitra. Hodinihina ao anatin’izany ny fitadiavana vahaolana maharitra mba hisian’ny fandriampahalemana amin’ny lafiny rehetra. Handroso soso-kevitra amin’izany ireo orinasa matihanina manampy amin’ny  fiantohana ny fandriampahelamana ho an’ny sehatra tsy miankina.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *