Socio-eco

FANDRAOFANA NY FAKO ETO ANTANANARIVO: Ho alefa any amin’ny ministeran’ny rano ny faktiora


“Manao bemarenina ry zareo ao amin’ny ministeran’ny rano sy ny SAMVA”, hoy ny mpanolontsaina manokana ny ben’ny tanàna an’Antananarivo renivohitra, Marc Ravalomanana. Andraikitry ny  SAMVA izay eo ambany fiadidian’ny ministeran’ny rano ny fandraofana fako. Amin’izao fotoana izao anefa dia mivangongo ny fako eny amin’ny toeram-panariana izany. Mizaka ny vokatr’izany ny vahoaka an’Antananarivo. Manoloana izany, nandroso vahaolana ary tsy maintsy hirosoana maika dia maika eo anivon’ny kaominina an’Antananarivo renivohitra (CUA). “Hampiasa ny kamio izay efa hananana na hanofa mihitsy ny kaominina. Ho alefa any amin’ny ministeran’ny rano ny faktiora avy eo sao faly fotsiny ry zareo fa noraofin’ny kaominina ny fako”, hoy i Marc Ravalomanana. Miantso ny praiministra, ministry ny rano izay mpikambana  ao amin’ny antoko TIM, ny tomponandraikitry ny SAMVA ny mpanolontsaina manokana ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana mba handray ny andraikiny avy. Manao antso avo amin’ny ministry ny rano ihany koa i Marc Ravalomanana mba hifanaja sy hitàna ny teny nomeny.

Paikady

“Antananarivo madio, maha te honina, hitoeran’ny fiombonan’ny samy Malagasy”. Io ny fanamby ny CUA.  Ho fanatanterahana izany, hanentana ny mponina manerana ny boriborintany enina ny kaominina mba hanaja ny fotoana fanariana ny fako (Amin’ny dimy ora hariva ka hatramin’ny 8 ora alina).  Nambaran’i Marc Ravalomanana fa efa herinandro maromaro izao no natao ny fanentanana kanefa mbola tsy nahitam-bokatra izany. Ao anatin’ny vahaolana naroson’ny mpanolontsaina manokana ny ben’ny tanàna ihany koa ny fametrahana olona  eny amin’ny toerana fanariana fako isaky ny boriborintany mba hanaramaso sy hampianatra ny olona ny tokony ataony. “Mila fitsipi-pifehezana ity renivohitra malalantsika ity. Raha tsy mipetraka tsara eo amin’ny mpiara-monina izany dia  tsy hisy vokany ny fanadiovana atao. Natao ho an’ny rehetra ny fitsipi-pifehezana fa tsy an’ny tomponandraikitra ihany”.

Lynda A.


One comment on “FANDRAOFANA NY FAKO ETO ANTANANARIVO: Ho alefa any amin’ny ministeran’ny rano ny faktiora

  1. Pingback: FANDRAOFANA NY FAKO ETO ANTANANARIVO: Ho alefa any amin’ny ministeran’ny rano ny faktiora - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *