Socio-eco

FANDRAHARAHANA: Tsy sakana ny fahasembanana


Anterivava : Vola Rabearivelo

Vehivavy moana marenina iray manao fianarana asa momba “PAO” ao amin’ny orinasa Telma. “Tsy manakana ny olona hiditra amin’ny sehatry ny asa ny fahasembanana misy eo aminy. Ny fahaiza-manao hananany no takian’ny orinasa voalohany, tahaka ny ataonay ato amin’ny orinasa Telma”, hoy ny tomponandraikitra lefitra misahana ny mpiasa ao amin’ny Telma, Vola Rabearivelo.
Misy asa mety amin’ireo olona manana fahasembanana ao amin’ny orinasa Telma na ireo orinasa mivondrona ao amin’ny AXIAN. Ankoatra ny fanomezana asa ho an’ireo olona tra-pahasembanana, manampy tosika ireo manana tetikasa ihany koa ny AXIAN.

Anterivava : Carole Rakotondrainibe

Ao anatin’ity vondrona ity ny orinasa Jovena, banky BNI, Telma…Nanokatra departemanta manokana momba ny fandraharahana izy mba hanohanana ireo fikambanana, olon-tsotra na hafa manana tetikasa. “Afaka manatitra ny mombamomba ny tetikasany aty aminay ireo sokajy voalaza ireo fa indrindra ireo fikambanana misahana ireo olona tra-pahasembanana”, hoy ny tomponandraikitry ny fandraharahana eo anivon’ny AXIAN, Carole Rakotondrainibe. Ankoatra ny fanohanana ara-teknika ireo tompona tetikasa, manohana ara-bola ihany koa ny vodrona AXIAN.
Lynda A.

Horonan-tsary

Horonan-tsary


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *