Socio-eco

FANDRAHARAHANA ARA-TSOSIALY 2019 : Tetikasa Telo tsara indrindra notoloran’ny orange loka


Hiatrika ny famaranana  amin’ny « Prix Orange de l’Entrepreneur Social en Afrique et  Moyen-Orient (POESAM)  atao any Cap Town , Afrika atsimo ny Alarobia 13 Novambra 2019  ao anatin’ny AfricaComAwards  ny tetikasa malagasy iray. 50 no nandray anjara tamin’ny fifaninana  POESAM nasionaly  ka nahazo loka ny telo voalohany. Nomena azy ireo ny loka sy fankasitrahana ka ny tale ara-barotry ny Orange Madagascar, Anouk Bertucat no nanolotra izany teny amin’ny CineOlympia Andohatapenaka tamin’ny 02 Oktobra 2019 lasa teo. Efa fantatra  tamin’ny 30 Septambra 2019 lasa teo ny  « vote public » izay tetikasa Malagasy iray ho any amin’ny  POESAM  iraisam-pirenena dia ny tetikasa « Flit Ride ». Ity POESAM ity dia manome tombony ireo mpandraharaha manana tolotra mifanaraka amin’ny fandrosoan’ny vanim-potoana, mifandray amin’ny fampiasana teknolojia indrindra fa ny  finday izay mamaly amin’ny sehatry ny fambolena, ny fampianarana, ny sehatry ny  angovo, ny indostria…mba hisy fiantraikany amin’ny sosialin’ny vahoaka.

Ny loka voalohany dia ny tetikasa « Sartbontech », tetikasa momba ny  fanamboarana saribao. Ny  fakon’ny Khat no akora fototra anamboarana azy. Vokatra voaomana no atolotra an’ny mpanjifa satria efa ao anaty harona kely ilay saribao ary aterina any antokan-tranon’ny mpanjifa izany. Amin’ny alalan’ny hafatra an-tsoratra amin’ny finday no hanafarana azy. Amin’ny alalan’ny Orange Money no andoavana ny vidin’ny saribao ilain’ny mpanjifa.

Ny loka faharoa dia ny tetikasa « Safe », tetikasa fifidianana fanafody ho an’ny rehetra indrindra any amin’ny faritra saro-dalana. Drone no ampiasaina  amin’ny fanaterana ireo fanafody , ny vakisiny, ny paosin-drà.

Ny loka fahatelo farany dia ny « Flit Ride » dia tetikasa mampiasa ny « application mobile » fitadiavana fiara hitatitra ( Convoiturage)

Loka goavana telo ny POESAM  iraisam-pirenena ity ka 25.000 Euros, 15.000 Euros, 10.000 Euros miampy ny fanampian’ireo matihanina amin’ny famoronana, famatsiana ara-bola ny orinasa.

« Make The Choice Madagascar »

orange 3Eo amin’ny fiaraha-miasa eo amin’ny Orange Madagascar sy ny ELAmad dia hahazo fanohanana ireo tetikasa malagasy miisa dimy tsara indrindra nifaninana tamin’ny POESAM izay hisitraka ny tosika fananana tetikasa any amin’ny ELAmad mandritra ny herin-taona. Nampahafantarina tamin’ny andron’ny 02 Oktobra 2019 io ihany koa ny « Make The Choice Madagascar ». Ity andiany voalohany ity dia « Make The ChoiceAfrica ».  Omena tombony ireo mpandraharaha tanora malagasy manerana an’i Madagasikara miohatra ny 18 taona. Tanora manan-kevitra sy mahay  tetikasa famorona orinasa  na manana orinasa latsaky ny telo taona.

Marihana fa ny ELAmad dia manana andraikitra amin’ny  fanampiana ireo tetikasa miantraika amin’ny sosialy sy ny tontolo iainana mba hampiofana ireo mpandraharaha tomponadraikitra eto Madagasikara.

Ireo mpiara-miasa amin’ny « Make The Choice »  dia ny Zazakely Sambatra, ny Orange Madagascar, ny Fihariana, ny Réseau Experts Malagasy, ny Viva, ny « Carrefour des entrepreneurs de l’océan indien », ny Star, ny P4H, ny « Solidis Garantoe » ary ny « French Tech Antananarivo ».

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *