Socio-eco

FANDAHARAN’ASA MADIO TOM: EPP 05 eto Antananarivo renivohitra nahazo toeram-pidiovana manaram-penitra


Toeram-pidiovana roa (02) no ifandimbiasan’ny mpianatra miisa 700 ao amin’ny EPP Anatihazo Isotry Teo aloha. « Tsy ampy izany ary tena mila fanamboarana tanteraka », hoy Talen-tsekoly, Nantenaina Farasoa Mampionona. Noho ny tetikasa « Madio TOM » dia nohavaozina io foto-drafitr’asa io ka nahazo toeram-pidiovana manaram-penitra valo (08) ny EPP Anatihazo Isotry. Natolotra tamin’ny fomba ofisialy ny 22 aprily 2021 io foto-drafitr’asa vaovao io.

« Ny fandaharan’asa Madio TOM dia fandaharan’asa iarahan’ny Fondation Axian sy orinasa TOM ( Tower of Madagascar) hanampiana ny EPP, ny foto-drafitr’asa sosialy na ho an’ny daholobe amin’ny resaka fahasalamana. Ao anatin’ny tetikasa ny fanentanana momba fahadiovana sy COVID-19 », hoy Ravelonjato Claudia, Tomponandraikitry ny serasera eo anivon’ny Fondation Axian. Nambarany fa nanomboka tamin’ny taona 2020 ny tetikasa ka EPP dimy eto Antananarivo Renivohitra no nisitraka izany dia ny EPP Ambodifiakarana, 67ha, Ampefiloha, Ambodihady ary Anatihazo Isotry.

Dimy taona ny faharetan’ny tetikasa Madio TOM. Mpiara-miombon’antoka amin’ny fanantanterahana izany ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA).  » Tanjona ny hisian’ny toeram-pidiovana manaram-penitra ho an’ireo EPP eto Antananarivo Renivohitra. Fanombohana ihany izao fa ny tanjona dia ireo EPP 95 eto amin’ny CUA samy hisitraka izany », hoy talen’ny rano sy ny fahadiovana ao amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra.

Ra-Nirina


One comment on “FANDAHARAN’ASA MADIO TOM: EPP 05 eto Antananarivo renivohitra nahazo toeram-pidiovana manaram-penitra

  1. Pingback: FANDAHARAN’ASA MADIO TOM: EPP 05 eto Antananarivo renivohitra nahazo toeram-pidiovana manaram-penitra - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *