Socio-eco

Fanatsarana ny sidina anabakabaka: Tosika ho an’ny fizahantany


Tombony ho an’ny mpandraharaha miantsehatra amin’ny tontolon’ny fizahantany ny fananganana ny  kaompaniam-pitaterana anabakabaka  vaovao Tsaradia. Tafiditra oa anatin’ny fiarahamiasa stratejika eo amin’ny kaompaniam-pitaterana anabakabaka eto an-toerana sy ny Air Austral  izy ity ho fanarenana ny  orinasa Air Madagascar. Eo ambany fifehezan’ny filankevim-pitantanan’ny Air Madagascar  ny kaompania vaovao Tsaradia.  Sidina anatiny natao hitatitra ny mpandeha fiaramanidina amin’ireo faritra eto  Madagasikara no tolotra omen’ny Tsaradia. Teboka mampiavaka ny kaompania Tsaradia ny hatsaran’ny kalitao ny “service”, ny fahamarinam-potoana ary ny fitomboan’ny  isan’ny  sidina isan-kerinandro, araka ny fanazavan’ny Tale jeneralin’ny Tsaradia nandritra ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialin’ ny biraon’ity kaompania vaovao ity, teny amin’ny « Tour  Ankorondrano » ny 04 jolay 2018.

Hohamoraina

Nanatrika io lanonana io ekipan’ny vondrona Sipromad izay notarihin’ny Tale Kabinetrany, Tiana Rasamimanana. Orinasa  miasa amin’ny sehatry ny indostria sy fizahantany no mivondrona amin’ny Sipromad. “Mahafaly anay ny fisafidianan’ny kaompania nasionaly Tsaradia ny Tour Ankorondrano. Rehefa mihatsara ny fizahantany dia mamporisika ny mpandraharaha hampiasa vola sy hanangana foto-drafitr’asa izany”, hoy i Tiana Rasamimanana. Mbola nampatsiahivin’ny tale kabinetran’ny Sipromad hatrany fa raha tiana hiroborobo ny fananganana foto-drafitr’asa eto Madagasikara dia mila ampian’ny fanjakana tosika ireo mpandraharaha. Ohatra amin’izany ny fampihenana ny hetra alohan’izy ireo. Marihina fa ny vondrona Sipromad no nanamboatra ny Tour Ankorondrano tamin’ny taona 2009.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *