Socio-eco

FANARENANA AIR MADAGASCAR: Ho averina indray ny fanajana ny ara-potoana


Zato andro taorian’ny fifanaovan-tsoniam-piarahamiasa teo amin’ny “Air Madagascar” sy ny “Air Austral”, efa miroso tsikelikely ny fanarenana ny kompaniam-pitaterana Malagasy. Amin’ny alalan’ny drafitra fanovana “Alefa 2027” no lalan-jotra hanatanterahana ny drafitra stratejika nifanarahan’ny roa tonta hanatsarana ny fomba fitantanana sy ny kalitaon’ny tolotra omena ny mpanjifa. Ao anatin’izany ny fanadiovana ny trosa baben’ny kompania Malagasy . “Ny 50 miliara Ariary amin’ny trosa mitentina 303 miliara Ariary no efa voahilika amin’izao fotoana izao”, hoy ny tomponandraikitra avy ao amin’ny filan-kevi-pitantanana vaovao.
Ao anatin’ny folo taona no hamitana ny drafitra “Alefa 2027”. Mizara roa ny tetiandro ka ny telo taona voalohany no fotoana hamerenana amin’ny laoniny an’i Air Madagascar. “Tafiditra ao anatin’izany ny fanajana ny ara-potoana isaky ny sidina”, hoy ny Tale jeneralin’ny kompania, Besoa RAZAFIMIHARO, nandritra ny valan-dresaka tamin’ny mpanao gazety . Nanamafy ny Filoha Tale Jeneralin’ny kompania, Marie Joseph Malé nandritra fa tanjona ho tratrarina ao anatin’izao fiarahamiasa amin’ny Air Austral izao ny fanajana ny 85 % ny ora fiaingana sy ny fahatongavan’ ny sidina. Ankoatra izany, hampitomboana ny sidina mandroso sy miverina ho an’ny faritra eto Madagasikara, na ny sidina mankany amin’ny Nosy rahavavy fa indrindra ny mankany Frantsa. “Manomboka amin’ny volana jolay 2018, ho lasa in-droa farahakeliny ary in-dimy farafahabetsany isaky ny herinandro ny sidina Antananarivo- Frantsa. Vokatry ny fiarahamiasa eo amin’ireto kompaniam-pitaterana ireto ihany koa ny fisian’ny tolotra vaovao toy ny tapakila tokana TGV Air izay ahafahana mandeha fiaramanidinina sy lamasinina haingam-pandeha. Miainga eto Antananarivo amin’ny fiaramanidina ilay mpanjifa raha ho an’i Frantsa. Io tapakila io ihany no entiny handehanany lamasinina ho an’ny amin’ny toerana tiany hivantanana.
Lynda A.

Horonan-tsara


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *