politique

Fanaraha-maso ny fampielezan-kevitra: Miantso ny vahoaka hifanampy aminy ny DFP


Hanaramaso ny fampielezan-kevitra ny Dinika ho Fanavotam-pirenena ( DFP ). « Torinay eny amin’ny « tribunal penal » avy hatrany ireo mpiasam-panjakana izay tratra manao izany fampielezan-kevitra izany. Rehefa vita kosa ny fifidianana dia hangataka fanafoanana vato eny amin’ny Fitsarana Avo momban’ny lalam-panorenana (HCC) izahay », hoy ny filohan’ny DFP, Maharavo Ratolojanahary. Nahazo fahazoan-dalana avy amin’ny Vaomiera mahaleotena momban’ny fifidianana (CENI ) izy ireo hanao izany. Noho izany, miantso ny vahoaka maniry hanara-maso ny fampielezan-kevitra izy ireo. Misy ny adiresy « mail » handefasana fangatahana fahazoan-dalana, dinikafp@gmail.com, doudoudinika@gmail.com. Azo atao ihany koa ny miantso sy mandefa hafatra amin’ny laharana 034 05 341 46. Ny tomponandraikitra ao amin’ny DFP kosa no mandefa ny momban’ny olona nangataka any amin’ny CENI distrika izay akan’izy ireo ny « Badge » n’izy ireo. Mampitandrina noho izany ny DFP amin’ireo mpiasam-panjakana ambony mbola minia manao fampielezan-kevitra fa tsy azon’izy ireo atao izany araka ny lalana. Tamin’ny herinandro lasa iny nahatsikaritra lehiben’ny faritra maromaro, ben’ny tanana maromaro, tomponandraikitry ny fampianarana isan-karazany no hita tamin’ny famoriana vahoaka ataon’ny kandida.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *