Socio-eco

FANAOVANA VAKISIN’NY COVID-19 : Mijoro ho modely ny mpitantana ny kaominin’Alasora


Mendrika halain-tahaka. Niaraka namonjy CSB2 teny Alasora mba hanao vakisin’ny covid-19 ny mpitantana ny kaominin’Alasora ny 01 septambra 2021. Nitarika izany ny ben’ny tanana mivady sy ireo mpanolotsaina notarihan’ny filohany. « Tokony mijoro ho modely hatrany ny tomponandraikitra isan-karazany amin’ity fanaovana vakisin’ny covid-19 ity na dia tsy an-tery aza ny fanaovana azy », hoy ny ben’ny tanàn’Alasora, Jimmy Randriantsoa. Manentana ny vahoaka izy hanao ity vakisiny ity satria io no miaro amin’ny tsy hahatonga ny tsirairay  ho tonga amin’ny « forme grave » na misy fahasarotana raha sanatria mararin’ity viriosy ity. Nahatsapa ny ben’ny tanàna mivady fa mafy ny voan’ity aretina ity, tsy lazaina intsony ny vola lany. « Izao vao afaka nanao vakisiny satria voan’ny covid izahay mivady ny volana aprily sy may 2021 », hoy izy. Tonga ny fotoana fanaovana an’izany ka niroatra izahay tomponadraikitra ato amin’ny kaominina hanao izany vakisiny izany, hoy hatrany izy. Ny fahasalamana  no voalohankarena hoy ity ben’ny tanana ity ka manasa ny rehetra hanao vaksiny. Misokatra isanandro ny CSB2 Alasora afaka mandray izay rehetra vonona amin’izany. Tsy maintsy mitondra dika mitovy amin’ny kara-panondro ireo izay hanao vakisin’ny covid-19.

Marihana fa ny CSB2 Alasora no voalohany tamin’ny « centre de vaccination » betsaka  mpanao vakisiny « covishield » indrindra tamin’ny daosy voalohany iny.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *