Socio-eco

FANAMPIANA NY MAHA OLONA: Ho haingana kokoa ny famoahana azy eny amin’ny seranan-tsambo


Firenena marefo amin’ny loza voanjanahary sy ny fiovan’ny toetr’andro i Madagasikara. Betsaka ireo olona manome fanampiana ho an’ireo traboina saingy misy amin’izy ireny no mihitsoka ao amin’ny seranan-tsambo satria mifanaraka amin’ny filàna hiatrehana ny voka-dratsin’ny loza voanjanahary akory. Ho fanafainganana ny famoahana ireo entana maika natokana hamonjena ny maha olona vokatry ny rivo-doza  no anton’ny fiarahamiasa eo amin’ny Ladoany sy ny OCHA (Bureau des Nations Unies pour la Coordination  des Affaires  Humanitaires) ary CNUCED (Conférence des Nations Unies pour le Commerce et le Développement). Nifampidinika ny hanatanterahina ny tetikasa ASYREC (système de traitement des envois  de secours d’urgence) ny tompondraiki-panjakana eo anivon’ny Ladoany malagasy, ny manam-pahefana misahana ny fitantanana ny loza, ireo sampandraharaha misandrahaka eny anivon’ny ministera misahana ny  fanafarana entana, ny « transitaires » ary ireo ratsa-mangaika manampy ny maha olona miasa eto Madagasikara toy ny sampandraharahan’ny firenena mikambana, ny ONG, ny Croix Rouge sy ny vovonana manampy ny maha olona avy amin’ny sehatra tsy miankina ny 9 oktobra 2019 teny Antaninarenina.

Araka ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny Ladoany, Lainkana Zafivanona Ernest fa ao anatin’ny atrikasa no hametrahana ny fomba fiasa hirosoana amin’ny fanatanterahina ny ASYREC . « Misy dingana arahina  foana fahatongavan’ny entana rehefa mandalo ny ladoany. Ka raha ireny dingana ireny no arahina amin’ny fahatongavan’ny entana natokana hanampiana ny maha olona , ohatra rehefa misy loza voanjanahary dia izay vao handalo filankevitry ny ministra, lasa ela  ny dingana arahina satria  hiandry ny fivoriana kanefa iny taratasy iny mbola handalo sampandraharaha be dia be”, hoy izy. Ahafahana mitantana an’izay ny rafitra ASYREC. Misy ny fandraisana an-tanana ireo entana ireo miaraka amin’ny mpiara-miombona antoka ao amin’ny Ladoany haingana kokoa ny famoahana azy. Ankoatra izany, ireo entana mifanaraka amin’ny filàna hanampiana ireo traboina ihany no eken’ity rafitra ity fa ny ankoatra izay dia mandoa hetra.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *