Socio-eco

FANAMBOARANA TRANO: Fampiasam-bola azo antoka


Ahazoana tombony kokoa ny fampiasam-bola amin’ny fanamboarana trano eto Madagasikara. Sehatra iray efa mahazo vahana eto amintsika ny “promoteur immobilier” na irony orinasa manamora ny fivarotana na fampanofana tany na trano, mandray an-tanana ny fanamboarana trano natao ipetrahana na amidy na ahofa irony. Vao telo taona monja no nisian’ny orinasa « Ivana » izay natsangan’i Lilia Ratefiarivony dia efa betsaka ireo mpanjifa miara-miasa aminy amin’ity sehatra ity. Nampahafantatra ny tolotra omeny ny mpanjifa sy ny tombontsoa amin’ny fampiasam-bola amin’ny fanamboarana trano ny orinasa « Ivana » androany 25 oktobra 2018.
12 % ny vola ampiasaina ny tombony azo amin’ny fanamboarana trano raha toa ka amidy na ampanofaina ilay trano rehefa vita. Amin’ny maha “promoteur immobilier” ny orinasa « Ivana » dia miantoka ny famitana ny asa rehetra manodidina ny fanamboarana trano manomboka any amin’ny fitadiavana ny tany, ny fikarakarana ny taratasin-tany, ny fikarakarana ny fahazoan-dalana hanorina trano, ny fanamboarana ny drafi-panorenana ny trano, fividianana ny fitaovana rehetra ilaina, ny famitana ny trano… Mandray vita ny mpampiasa vola. Tetikasan’ny orinasa Ivana izao ny fanamboarana ny “residence Arahaba soa” eny Ambohitrarahaba. Ahitana “villas premium” 12 izy ity ka misy efitrano telo na efatra ny villa iray. Ireo Malagasy mpila ravinahitra any ivelany no niara-niasa voalohany tamin’ny orinasa, miitatra tsikelikely amin’ny mpanjifa avy eto an-toerana izany ankehitriny. Araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra ara-barotry ny Ivana, Toto Gaylord fa mahavita “villa” iray ny 200.000 euros. Tany 22 metatra tora-droa no voavidy izany raha any Frantsa ka aleon’ireo mpila ravinahitra mampiasa vola aty Madagasikara.

Lynda A.

Horonan-tsary


One comment on “FANAMBOARANA TRANO: Fampiasam-bola azo antoka

  1. Miharahaba tompoko. Mba mila fanazavana kely azafady. Ianareo ve afaka manampy amin’ny fanaovana famitana ny trano. Dia ahoana ny fomba hanaovan ny famerenam-bola raha toa ka trano hipetrahana fa tsy ho amidy ilay izy.
    Misaotra indrindra tompoko

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *