Socio-eco

FANAMBOARAN-DALANA : Fototry ny “kidnapping” tao Tsaratanàna


Tao anatin’ny efa-bolana, nisesy lany ny “kidnapping” tao amin’ny distrikan’i Tsaratanàna. Araka ny fanazavan’ny solombavambahoaka voafidy tany an-toerana, Jaona Ratefiarivony fa trangana fakana an-kery miisa dimy no niseho. Olona valo no nalaina an-keriny ary ny fito tamin’ireo efa votsotra. Ny iray kosa mbola takian’ireo dahalo vola 30 tapitrisa Ariary. Vola 180 tapitrisa Ariary ny fitambaran’ny vola nangatahin’ireo dahalo tamin’ireo tranga fakàna an-keriny ireo.
Ny fanamboarana ny lalam-pirenena RN33a mampitohy an’ny kaominina ambanivohitra Andriamena sy Tsaratanàna ary ny fihaonan-dalana Tsaratanàna-RN4 no mahatonga ireo dahalo naka an-keriny ireo mpiasan’ny kraomita Malagasy (KRAOMA) miisa efatra. Araka ny voalazan’ireo mpiasa novotsoran’ireo dahalo dia dimy ny isan’ireo mpaka an-keriny. I Del ny mpitarika azy ireo ary miaraka amin’ny basy mahery vaoika kalaky miisa telo sy basim-borona roa. Nohizingizinin’ireo dahalo fa tsy mankasitraka ny fanamboarana ny RN33a izy ireo. Nambaran’ireo dahalo ihany koa fa solombavambahoaka mihitsy no kasain’ireo dahalo ho samborina. Nambaran’ny solombavambahoaka, Jaona Ratefiarivony, fa manelingelina ny asany io fanamboaran-dalana io satria ho mora ny fanenjahana azy ireo. Anisan’ireo orinasa ny manamboatra ny foto-drafitr’asa ny KRAOMA. Naterin’ny fiaran’ny orinasa ireo mpanao làlana ny alatsinainy 23 jolay 2018. Rehefa vita ny fikojakojàna ny “bull” toy ny fanao isan’andro dia namonjy ny toerana hanohizana ny asa izy ireo ka tamin’izany no notsenain’ireo mpaka an-keriny teo Amboasarimaty, fokontany Amboniakondro, kaominina ambanivohitr’i Betrandraka ny mpiasa efatra. Navotsotr’ireo jiolahy ireo mpiasa ny 26 jolay 2018 rehefa azony ny vola zato tapitrisa nangatahina. Niato aloha hatreto ny fanamboaran-dalana mba tsy hanomezana vahana ny mpanao ratsy ary mbola mitohy ny fikarohana ireo olon-dratsy.

Lynda A.

Horonan-tsary


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *