Socio-eco

FANABEAZANA NOMERIKA : Afaka mitrandraka fahalalana maimaimpoana ao amin’ny tranokalan’ny MEN ny mpianatra ao amin’ny faritra Anosy, Atsimo Andrefana sy Boeny


Afaka misitraka maimaimpoana ny loharanom-panabeazana toy ny lesona, fampiasana, horonantsary mihetsika, fampianarana isan-karazany ao amin’ny tranokalan’ny Ministeran’ny fanabeazam-pirenena (MEN) www.education.gov.mg  ireo mpianatra any amin’ny faritra  Anosy, Atsimo Andrefana sy Boeny. Izany no tanteraka dia noho ny fiarahamiasan’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena (MEN), ny ratsa-mangaikan’ny firenena mikambana misahana ny ankizy (UNICEF) sy ny Airtel Madagascar. Tontosa ny zoma 10 febroary 2023 teny amin’ny Ivon-toerana piofanana nasionaly ara-pedagojia (INFP) Mahamasina  ny fifanaovan-tsoniam-piarahamiasa teo amin’ny telo tonta. Ho fanamorana ny fisitrahana ny fampianarana haitao ara-kajy mirindra (apprentissage numérique) no tanjon’ny fiarahamiasa. Mpianatra 14.000 amin’ireo kolejy 15 miparitaka amin’ireo faritra telo ireo no afaka manampy fahalalana, ankoatra ny azo any an-tsekoly, ao amin’ny tranokalan’ny MEN. Maimaim-poana izany ho an’ireo mampiasa ny tambazotra Airtel ary afaka manao izany na aiza na aiza, na oviana na na oviana. Nametrahana « connexion internet » ihany koa ireo sekoly ireo ahafahan’izy ireo manovo izany fahalalana amin’ny alalan’ny fampiasana nomerika izany. « Ao anatin’ny paikadin’ny ministera ny famoronana loharanom-panabeazana ahafahan’ny rehetra mitrandraka izany  na aiza na aiza. Mampisitraka zaza malagasy ny fampianarana nomerika ity fifanarahana miaraka  amin’ny  Unicef sy ny Airtel ity. Fanombohana ihany izao fa hitohy any amin’ny faritra hafa izany ho fanatsarana ny kalitaon’ny fanabeazana eto Madagasikara », hoy ny Jeneraly Théophil Rabenandrasana, Sekretera Jeneralin’ny MEN. Hampisy ny fitoviana tantana eo amin’ny lafiny fanabeazana no antony nisafidianana manokana ny faritra Anosy, Atsimo Andrefana sy Boeny, araka  ny fanazavany. Nilaza izy fa « somary sahirana amin’ny lafiny kalitaon’ny fanabeazana ireo faritra ireo ka izany no antony nisafidianana azy ireo ». Ho an’ny Airtel manokana dia porofon’ny fandraisan’andraikitry ny sehatra tsy miankina  amin’ny fanatsarana kalitaon’ny fanabeazana sy  fampiroboroboana ny fanabeazana nomerika ity fifanarahana ity.

Hitondra rivo-baovao

Vokatry ny fiarahamiasan’ny UNICEF sy ny Airtel Afrika ao anatin’ny tetikasa « famerenana ny fijerena manokana ny sehatrin’ny fanabeazana »  (réimaginer l’éducation) ity fiarahamiasa miaraka amin’ny MEN ity. Mitentina 57 tapitrisa dolara ny tetibola natokana ho an’ny tetikasa ka firenena 13 eto Afrika no misitraka izany: Tchad, Congo Brazaville, Gabon, Kenya, Malawi, Niger, Nigeria, République Démocratique de Congo, Rwanda, Tanzanie, Uganda, Zambie ary i Madagasikara.  Hitondra rivo-baovao ho an’ny sehatrin’ny fampianarana eto Madagasikara ny tetikasa noho izy hanampy ny mpianatra sy mpampianatra hisitraka ny fanabeazana nomerika izay tena ilaina raha ny zavamisy tamin’ny  vanim-potoana valanaretina Covid-19 no atao jery todika.  Vao maika nampitombo ny elanelana amin’ny lafiny nomerika mantsy iny krizy ara-pahasalamana iny. Tafiakatra 30 % ny fitsoahana an-daharana an-tsekoly  manerantany noho ny fikatonan’ny sekoly tamin’ny taona 2020. Mbola sarotra kokoa aza ny zavamisy ho an’ireo tsy manana fahafahana manatrika fampianarana ampitan-davitra.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *