Socio-eco

FAN EDUCATION: Mikarakara ireo mpianatra te ho any ivelany


Oniversite avy amin’ny firenena valo no mandray anjara amin’ny fampirantiana Education Global expo izay karakarain’ny Fan education agency. Tazana ao amin’ny efitranon’ny Carlton Anosy hanaovana ny fampirantiana ireo firenena avy any Suisse, Canada, Etats Unis, Malaisie, Inde, Maurice, Afrique du Sud ary Royaume Uni. Fianarana avy ivelany miisa 24 no tonga mampiranty ny sampam-piofanana misy ao aminy sy ny dingana tokony arahina. Nanomboka androany 1 febroary hetsika ary hifarana rahampitso 2 febroary 2019. “Natao hampirantiana ny fianarana any ivelany sy fampahafantarana ny mpianatra ny tena andraikitry ny Fan eduction ity fampirantiana ity”, hoy ny Jacky Fanambinana, tomponandraikitra voalohany ny Fan education.

Mandray an-tanana ireo mpianatra te ho any ivelany ny Fan education. Manomboka any amin’ny fanoroana làlana ny mpianatra ireo karazana lalam-piofanana, ny fikarakarana ny antontan-taratasy, ny fanomanana ny dia ka hatramin’ny fanomanana ny trano hivantanana dia raisin’ny Fan education an-tànana avokoa. Manamora ny fikarakaran’ny mpianatra ny dingana rehetra ahafahana mianatra any ivelany, trano, ny visa, ny “billet d’avion” izahay, hoy hatrany ny fanampim-panazavan’ny tomponandraikitra. Betsaka ireo mpianatra Malagasy no liana amin’ny fanohizana ny fianarany any ivelany ka anisany manampy azy ireo ny fisian’ny agence azo antoka tahaka itony.

Lynda A.

Horonan-tsary


3 comments on “FAN EDUCATION: Mikarakara ireo mpianatra te ho any ivelany

  1. Pingback: FAN EDUCATION: Mikarakara ireo mpianatra te ho any ivelany - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *