politique

FAMPITOMBOANA NY ISAN’NY FARITRA HO 23: Kajy anankiray


Nilaza  ny filohan’ny repoblika Andry Rajoelina nandritra ny lanonam-panjakana nanaovan’ny fianianany  fa hizara 23 ny faritra raha toa  ka 22 izy amin’izao fotoana izao. Araka ny fanampim-panazavana nomen’ny ministry ny fizahantany, Brunelle Razafitsiandraofa fa ny faritra Vatovavy Fitovinany no hizara roa ka izay no mahatonga ny fitambaran’ny faritra ho lasa 23. Tsy vao tamin’iny lanonana manetriketrika iny no nitsiry ny hevitra ho fampitomboana ny faritra fa efa nampahafantarin’ny filoha Andry Rajoelina tamin’ny fampielezan-kevitra nataony tany Mananjary.

Nambaran’i Brunelle Razafitsiandraofa amin’ny maha solombavambahoakan’ny distrika an’Ikongo   azy teo aloha fa mazava be ny tombontsoa ho azo amin’ny fizarana ny Vatovavy Fitovinany ho roa. “Na dia kajy fotsiny aza. Ny anjara  tokony ho an’ny faritra anankiray dia lasa ho an’ny  anankiroa. Izay anjara anankiroa izay dia efa zava-dehibe ho an’ilay faritra iray teo aloha na eo amin’ny resaka teti-bola fotsiny aza. Ambonin’izay,  tsy maintsy hahazo ireo sampandraharaham-panjakana tsy maintsy ilaina amin’ny maha faritra azy ilay faritra vaovao. Fampandrosoana izany”, hoy  i Brunelle Razafitsiandraofa. Na dia efa nolazain’ny filohan’ny repoblikan’i Madagasikara teny Mahamasina aza fa ho lasa 23 ny faritra dia tsy maintsy mandalo fitsapan-kevi-bahoaka izany vao azo tanterahina.

Lynda A.


One comment on “FAMPITOMBOANA NY ISAN’NY FARITRA HO 23: Kajy anankiray

  1. Pingback: FAMPITOMBOANA NY ISAN’NY FARITRA HO 23: Kajy anankiray - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *