Socio-eco

FAMPINDRAMAM-BOLA ATAON’NY CNAPS : Mitentina 50 miliara ariary ny vola ampiasaina


Hanomboka amin’ny Alatsinainy 17 Aogositra 2019 ny fametrahana ny atonta-taratasy fangatahana findramam-bola ao amin’ny CNAPS (Caisse nationale de prévoyance sociale ) atao hoe « tsinjo fameno » ary mifarana amin’ny faran’ny volana septambra 2020 izany. Amin’ny alalan’ny tranokalan’izy ireo www.cnaps.mg no hanaovana sy hametrahana  izany.  Natokana ho an’ireo mpikambana mandoa latsakeboka ara-dalana ity tolotra ity. Mpiasa 200.000 no hisitraka izany. « 50 miliara ny vola ampiasaina amin’ity tetikasa ara-tsosialy ity ka hisitra izany voalohany ny eo amin’ny sehatra lahara-pahamehana nolazain’ny Prezidàn’ny Repoblika, toy ny ao amin’ny sehatry ny fizahan-tany, ireo orinasa hafakaba, ireo mpiasa tratry ny fiatona ara-teknika, ireo miasa amin’ny ampahany ka karama antsasany no raisiny », hoy ny tale jeneralin’ny CNAPS, Mamy Rakotondraibe. Manomboka amin’ny volana Janoary 2021 ny fandoavana ny vola nindramina ka 12 volana no hamerenana azy izay 8,5  isan-jaton’ny karama. Miara-miasa amin’ny banky ny CNAPS amin’ny fanomezana io vola io. Eo amin’ny famerenana ny vola indray kosa dia ny mpampiasa no mandrotsaka io 8,5 isanjaton’ny karaman’ny mpiasa nindram-bola io eny amin’ny banky.  Raha sendra miala amin’ny asany izy ka tsy afaka ny mandoa dia rehefa mandray ny asa vaovao izy vao manohy ny fandoavana izany indray, hoy hatrany ny tale jeneralin’ny CNAPS. Ankoatra izay alaina amin’ny latsakemboka nataony ny vola tokony naloany roa taona aty aoriana raha sanatria ka manana olana amin’ny fandoavana azy izy. Nomarihany fa fito andro ny hikarakaran’ny CNAPS ny antonta-taratasin’ireo mpangataka na tafiditra ao anatin’ny fepetra izy na tsia.

Ankoatra izay dia telo isan-jaton’ny malagasy na 500.000 no mpikambana ao amin’ny CNAPS ka 300.000 ihany no manefa latsakemboka ara-dalana. Ny ambiny kosa dia manao izany indraindray na tsy manao izany mihitsy.  Roa taona sy tapany ny vola tahiry ao amin’ny CNAPS raha toa ka tsy misy mandoa latsakemboka ny  mpiasa.

Nirina R.


4 comments on “FAMPINDRAMAM-BOLA ATAON’NY CNAPS : Mitentina 50 miliara ariary ny vola ampiasaina

  1. Herimampihonona Cyrille Ismaël

    Miarahaba anareo tompon’andraikitra
    Izaho dia mba anontany ,hafaka misitraka io findramam-bola io ve ny tenako? izaho dia miasa aty @ ONG SIF Morombe, niasa nandray karama aradalana fa ny olako dia tanaty confinement tsy maintsy niakatra Antananarivo fa ho atao opération ny vadiko , refa tokony amonjy asa aho dia tsy tafaverina raha tsy taty @ 23 juin raha fin avril no nandeha. Dia ahoana ny tokony atao, ny toro-marika amin’ny findramana io vola io

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *