Socio-eco

FAMPIASAM-BOLA: Azo hanorenana orinasa ny 20.000 Ar


Mampitaintaina ny tanora Malagasy  mahavita  fianarana ny fahazoana  asa. Amin’ny maha mpampiofana an’i Rojo Andrianasolo, nilaza izy fa azo atao ny manangana orinasa miainga amin’ny 20.000 Ariary. Tsy voatery volabe no ampiasaina fa ny ny fomba fanodinana azy no zava-dehibe.   Safidy tsara kokoa ny fanodinana ny  20.000 Ariary toy izay ho laniana hividianana  toaka na lasopy.   Toe-tsaina mpandraharaha  no tanjona. Manao antso avo amin’ny fitondram-panjakana ihany koa ny  ity filoha tale jeneralin’ny “groupe E-media”  ity mba hihaino ny hetahetan’ny tanora.

Mandalina

Folo taona niainana tao anatin’ny tontolon’ny serasera  Rojo Andrianasolo.  Manana  “Agence de communication”   izy, izay ao anatin’ny “Groupe E-media” ihany.  Tsy nisakana azy nanovo lalam-piofanana hafa  anefa  izany. Manana  diplaoma “master II” amin’ny serasera, “marketing” izy. Nanamafy ny traikefa efa nananany momba fanabeazana  ihany koa Rojo Andrianasolo.  Diplaoma faha-telo  hananany ny Master II amin’ny  “science de l’éducation” . Fianarana ny fiainana. Mandalina ny « diplomatie et relations internationales »  eny amin’ny  ENAM (Ecole Nationale  d’Administration de Madagascar) izy  ary an-dalam-panomanana ny “Doctorat” momba ny “sociologie et développement” ihany koa izy amin’izao fotoana izao.    “Manentana ny tanora hianatra hatrany ny tenako na dia efa  tonga amin’ny sehatra  ambony aza. Tsara ny manovo fahalalana raha mbola azo atao”.

Nirina R.  


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *