Socio-eco

Fampianarana fampitain-davitra: Ilaina fahatsapàn-tena


Manery ny mpianatra hanao fikarohana ny rafi-mpampianarana LMD (Licence- Master- Doctorat). Ny folo isan-jaton’ny lesona fotsiny no omen’ny mpampianatra fa anjaran’ny mpianatra kosa ny mitady 90 %. Torak’izay ny fianarana hampitain-davitra. « Fototra fotsiny ihany boky omen’ny CNTEMAD (Centre National de Télé-Enseigenement de Madagascar) fa mila manao fikarohana ny mpiofana », hoy ny Tale Jeneralin’ny CNTEMAD, Djohary Andrianambinina. Manamora ny fizotry ny fianaran’ny mpianatra iray ny fahaizana mandalina ny taranja rantoviny. Araka ny toro-hevitra nomen’ny tale jeneralin’ny CNTEMAD dia tokony hanabe voa ny fahaizana amin’ny alalan’ny fanatrehana famelabelarana mifandraika amin’ny taranja ny lohahevitra resahana ny mpianatra manarana ny fianarana hampitain-davitra. Eo ihany koa ny fikarohana isan-karazany amin’ny alalan’ny famakiana boky na amin’ny aterneto…
Mitaky fahatsapàn-tena noho izany ny fisafidianana ny fianarana hampitain-davitra. Teboka voalohany mila hananan’ny mpiofana ny faniriana te ho tafita (motivation). Manaraka izany ny faharisihana hiana-desona sy hanao fikarohana fa tsy miandry tenenina na toloram-potsiny. Mitaky fahaizana mandrindra ny asa sy/na ny fotoana raha te hahomby.

Lynda A.

Horonan-tsary


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *