Socio-eco

FAMPANDROSOANA NY FARITANY TOLIARA: Tsy vitan’ny alim-pandihizana fotsiny


Fotoana tsy manam-paharoa ho an’ny faritany Toliara ny zava-nitranga tao amin’ny Carlton Anosy, omaly 11 desambra 2018. Nomarihana tamin’ny alalan’ny famelabelarana narahina adi-hevitra ny fankalazana ny faha-10 taonan’ny fikambanana « jeunes cadres du faritany Toliara » na JCFATO.  Nikaon-doha nitady vahaolana hampandrosoana marina ny faritanin’ny Toliara ireo tanora manana andraikitra ambony eto amin’ny tany sy ny firenena. Nambaran’ny filohan’ny fikambanana JCFATO, profesora Soja Lahimaro fa tsy vitan’ny fanomanana alim-pandihizana eny amin’ny cercle messe Soanierana na ny festival Toliara Tsimiroro ny fampandrosoana ny faritra fa mila mandray andraikitra ny tsirairay. Lohahevitra noresahana nandritra ny famelabelaran-kevitra ny olana misy any Toliara, ny tsy fandriam-pahalemana sy ny fiompiana omby, ny tsy fahampiana ara-tsakafo sy ny fampandrosoana eny amin’ny tontolo ambanivohitra, ny fomba hampandrosoana ny faritra Atsimo. « Ny fehin-kevitra mivoaka eo dia hatolotra ho an’izay filoha ho lany eo. Samy homena io fehin-kevitra io izy mirahalahy”, hoy i hatrany i profesora Soja.

Sakana

Malaza ratsy i Toliara fa fasan’ny tetikasa (cimetière de projets). Betsaka ny tetikasa tanterahina ao Toliara, mahagaga fa ny fisian’izany vao maika mampilentika azy any amin’ny fijaliana mavaivay. Araka ny fanazavan’i Profesora Soja Lahimaro fa ny fampiharana ny vahaolana no sakana tsy mampandroso ny faritany ny Toliara. « Ny politika no mibaiko ny ekonomia eto amintsika », hoy izy. Nilaza anefa izy fa raha mirindra ny ekonomia dia mirindra ho azy ny sosialim-bahoaka ary misy ny fitoniana ara-politika. Naveriny fa manao dahalo izy rehefa tsy misy hamelomany ny vady aman-janany. Mifamatotra amin’ny tsy  fandriam-pahalemana ihany koa ny tolotra sy tinady momba ny omby. Rehefa be ny mpitady omby, mirongatra ny asan-dahalo. Noho izany, laharam-pamehana ho an’ny faritany ny Toliara ny fampandriana fahalemana. “Rehefa mandry fahalemana ny tany, misy ny mpamatsy vola, misy ny famoronana asa, manana fahefa-mividy ny olona…”.  Ankoatra izany, mahatonga ireo tetikasa maro be tanterahina any Atsimo ihany koa ny olan’ny rano. Tsy mbola misy ny vahaolana maharitra hatramin’izao momba izany. Nilaza anefa i Profesora Soja fa betsaka ny renirano ao Toliara. Nosy ihany koa i Madagasikara ary voadidina ranomasina. Nahoana no tsy voavaha hatramin’izao ny olan’ny rano any Atsimo?

Lynda A.


One comment on “FAMPANDROSOANA NY FARITANY TOLIARA: Tsy vitan’ny alim-pandihizana fotsiny

  1. Pingback: FAMPANDROSOANA NY FARITANY TOLIARA: Tsy vitan’ny alim-pandihizana fotsiny - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *