Evenement

Fampandrosoana isam-paritra : Mila politikam-pirenena tena mifandanja isika


Nifarana androany 18 oktobra 2019 ny atrikasa fakan-kevitra teo amin’ny famolavolana ny politikam-pirenena ho fampiroborobona ny fotodrafitrasa sy ny fampitaovana teto Mahajanga, izay nandraisan’ny faritra Boeny, Betsiboka, Diana sy Sava ary Sofia anjara.

Nanamarika ny atrikasa ny fampisehon’ny isam-paritra sy ireo mpandray anjara fa efa tranainy ny ankamaroan’ny fotodrafitrasa. Tsy mifandanja ihany koa ny isan’ireo fotodrafitrasa satria misy manana marobe ary misy ny manana kely. Ao ihany koa ireo tsy manaraka ny fenitra ilaina eo amin’ny fandrafetana ny fotondrafitrasa. Ireo hevitra ireo dia nitovian’ny faritra dimy niaraka tamin’ny faritra Boeny izay nampiantrano.

Fantatra ihany koa nandritry ny atrikasa ny zavatra izay mbola ilaina. Ohatra amin’izany ny hoe maro ireo toerana tsy ahafahana mivezivezy noho ny tsy fananany fotodrafitrasa. Ary isan’ny notakian’ireo faritra ny hoe mba ampitoviana na ny any ambanivolo na ny an-dRenivohitra ny amin’ny fanatanterahana ny PNDIE (Politique Nationale de développement des Infrastructures et des équipements. Toromarika ho an’ny mpisehetra kosa ny hanatanterahana ny zavatra voasoratra sy ny anton’ny fakan-kevitra tamin’ny isam-paritra ary mba ampifanarahana amin’ny toe-javatra iainan’ny isam-paritra sy mampiavaka azy ireo tsirairay, fa tsy izay tian’ny fitondrana na ny foibe fotsiny no hatao.

Efa mandroso ny fanatontolona amin’izao andro izao dia irina ihany koa ny hoe mba manaraka ny toetr’andro ny fotodrafitrasa hatsangana na an-tanàndehibe na ambanivolo. Ny fampitaovana dia fitaovana ahafahan’ny fotodrafitrasa mihodina sy miasa araka ny tokony ho izy. Eo amin’ny fandrafetana ny PNDIE dia misy ny fiarahamiasa ny minisiteran’ny fanajariana ny tany amin’ny I-Teknolojia eo amin’ny fandrafetana sy ny fandalinana.

Ny mpiasan’ny ministera sy ny tompon’andraikitra isam-paritra dia natao fakan-kevitra mba hamantarana ny filàn’ny isam-paritra fotsiny ihany. Nanohana ny atrikasa ny Page/GIZ, ary notohanan’ny vondrona Eraopeana sy ny BMZ izay avy amin’ny ministera federaly any alemana ara-bola.

Miora RAZAFINDRAMANITRA


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *