Miantso ny rehetra ihany koa ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka. Maro ny aretina mila ireny fanomezan-drà ireny. Araka ny fanazavan’i Profesora Samison Luc Hervé, mpisolo toerana ny talen’ny hopitaly Joseph Ravoahangy Andrianavalona (HJRA) fa ny rà dia aina ary io dia ilaintsika amin’ny famonjena ireo marary eny amin’ny hopitaly. “Maro ny aretina ilaina ireny rà ireny toy ny pathologie aigue: ohatra ny olona tratry ny lozam-pifamoivoizana ka very rà na ireo manao hemorragie digestif dia tsy maintsy asiana rà haingana dia haingana satria mety hahafaty ilay olona raha tsy asiana rà izy. Faharoa dia ny pathologie chronique: aretina mikiky tsikelikely ny sela mena ao anatin’ny tenan’ny olombelona ka mila fanomezana rà ihany koa. Eo ihany koa drépanocytose. Betsaka ireo aretina ilaina rà fa santionany ihany ireo”, hoy i Profesora Samison Luc Hervé. Noho ny fahitana ny filàn-drà eny anivon’ny hopitaly dia nanentana ireo mpiara-miasa aminy, olom-pantatra sy ireo mpianatra eny amin’ny oniveriste HPI Masca Sabotsy Namehana i Haingo Paradis hanome rà an-tsitrapo. Niara-nirona teny amin’ny trano fitehirizan-drà teny amin’ny HJRA izy ireo ny 12 febroary 2021. “Efa andiany fahatelo ity hetsika fanomen-drà an-tsitrapo niarahan’ireto olon-tsotra natao ity. Marihina fa olom-pantatra, olon-tsotra terem-panahy avokoa izahay izay tonga tamin’ity androany ity. Noho ny fahafantarana izay filan-drà ety amin’ny hopitaly izay no nanosika anay hifanampy amin’ny mpiara-belona”, hoy i Haingo Paradis.
Miteraka fahasalamana sy fifalian-tsaina
Nambaran’ny tale misahana ny fampiroboroboana ny fahasalamana eo anivon’ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka, Rakotoarivony Manitra fa betsaka ireo marary mila rà ka manentana ny mpiara-belona ho avy hanome rà an-tsitrapo eny amin’ireo toby fanangonan-drà. “Na dia eo aza ny coronavirus dia aza misalasala manome rà fa ara-dalàna tsara ny rà omena ny marary satria tsy mandalo fitiliana maro ilay rà vao azo ampidirina amin’ny marary”, hoy izy. Nohamafisin’i Profesora Samison Luc Hervé fa azo antoka ny rà alefa amin’ny olona rehetra izay marary satria mandalo fitiliana maromaro vao fantatra fa azo antoka. “Misy ny fitiliana ny syphilis, VIH, hépatite, rehefa tsy misy an’ireo rehetra ireo izy vao lazaina hoe rà azo antoka”, hoy hatrany izy. Nilaza ihany koa Dr Manitra fa manampy ny mpiara-belona ny fanomezan-drà, betsaka ireo marary mila rà mandavan-taona ka entanina isika hananana fandavan-tena hanome rà. Ankoatra izany dia “miteraka fahasalamana sy fifalian-tsaina ho famonjena ny hafa ny fanomezan-drà”.
Lynda A.