politique

FAMOAHANA NY VOKA-PIFIDIANANA : Mandeha an-tanan-tohatra


Mandalo dingana  telo ny fikirakirana ny valim-pifidianana mialoha ny famoahana  azy amin’ny fomba ofisialy. Araka ny fanazavan’ny mpampakan-tenin’ny vaomiera mahaleo tena misahana ny fifidianana  (CENI), Fano Rakotondrazaka, dimy andro fara-fahatarany no hikirakiran’ny vaomiera mpanisa vato eny anivon’ny distrika (SRMV) ny firaketana an-tsoratra  (PV) sy ny  taratasim-bato rehetra avy any amin’ny biraom-pifidianana.  Rehefa natao ala-nenina rehetra, atao ny firaketana an-tsoratra rehefa tsy nahatonga ny  PV sy ny taratasim-bato ireo biraom-pifidianana. Aorian’izany, raisin’ny CENI an-tanana indray ny avy amin’ny SRMV ka fito andro eo no hikirakiran’izany. Anjaran’ny CENI ny mamoaka valim-pifidianana vonjimaika. Ny 20 novambra 2018 no hamoahana izany fara-fahatarany.

Nambaran’ny filohan’ny fitsarana avo momba ny lalàm-panorenana (HCC), Jean Eric Rakotoarisoa fa tsy azo ataon’ny kandida ny mamoaka voka-pifidianana. “Aoka ihany koa tsy hasiana hoe izaho no lany. Raha misy fanitsiana tokony atao dia tsy mahazo mikitikitika ny CENI fa anjaran’ny  HCC ny manao izany”.  Rehefa mivoaka ny voka-pifidianana vonjimaika, miroso amin’ny dingana farany ny HCC.  Mandray ireo fitarainana momba ny raharaham-pifidianana izy. Manamarina ny PV sy ny taratasim-pifidianana ihany koa. Sivy andro ny fe-potoana  hiasany. Ny 29 novambra 2018 raha ela indrindra no hamoahan’ny HCC ny voka-pifidianana ofisialy.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *