politique

FAMINDRANA LAKILE TEO AMIN’NY OMACI: Nitondràna mpitandro filaminana


Nanaiky tsy fidiny ny tale jeneralin’ny OMACI (Ofisy Malagasy misahana ny sarimihetsika), Ramitandrinarivo Bon-Temps namindra andraikitra tamin’ny tale jeneralin’ny kolontsaina,  Razafiarison Francis Alexandre. Nanano-sarotra ny famindram-pahefana satria nilaza ny tale jeneralin’ny OMACI fa mbola tsy vonona ny antontan-taratasiny, ny hevitra anefa efa tapaka fa ny 7 mey 2019 no atao ny famindram-pahefana. Efa nivonona nitondra mpitandro filaminana ny avy amin’ny ministera tamin’io fotoana io. « Famindrana lakile no tena natao teo (…) Famindram-pahefana « par défaut » no natao na nanaiky izy na tsy nanaiky satria tsy maintsy ny baiko », hoy ny    tale misahana raharaham-pitsarana eo anivon’ny minisiteran’ny serasera sy ny kolontsaina, Rakotondratafika Henintsoa eo anivon’ny minisitera. Nilaza kosa ny tale jeneralin’ny OMACI teo aloha fa tokony mbola hiandry ny fanapahan-kevitry ny fitsarana avo momba ny lalàm-panorenana (HCC) izay vao hirosoana ny famindram-pahefana. « Gaga ihany koa aho fa efa rava ny OMACI kanefa mbola misy famindram-pahefana ihany », hoy izy nanazava ny antony tsy fahavononany.

Araka ny fanazavan’ny tale misahana raharaham-pitsarana hatrany dia tapaka tao anatin’ny filankevitry ny minisitra ny 17 aprily 2019 ny didy hitsivolana manatsahatra ny lalàna mifehy ny politikan’ny sarimihetsika sy ny sary miaina izay nanangana ny OMACI. Noho izany, rava ity rafitra ity.  Tsy ny sarimihetsika malagasy akory no rava fa ny rafitra. Miverina eny anivon’ny minisitera fitantanana ny sarimihetsika ka ny tale jeneralin’ny kolontsaina no hisahana izany vonjimaika mandra-pahatonga ny lalàna vaovao, hoy izy. Nampatsiahy ihany koa izy fa efa tamin’ny 18 aprily 2019 no nandray ny naoty manome ny baiko hamindrana ny fahefana ny tale jeneralin’ny OMACI. Nandeha nitory ny raharaha teny amin’ny filankevi-panjakana ity tale jeneraly ity. Rehefa natao ny asa famotorana, nihainoana ny andaniny sy ny ankilany dia namoaka didy ny fitsarana tamin’ny zoma 3 mey 2019 teo fa ara-dalàna ny hanaovana ny famindram-pahefana. Tsy resaka lalàna mifehy ny fananganana ny antokon-draharaham-panjakana ihany no naha be resaka tamin’ity OMACI ity fa resa-bola ihany koa. Ny andaniny milaza fa misy tsy fahatomombanana ny fitantanana. Ny ankilany  nampahafantatra fa efa maro ireo famatsiam-bola azon’ity rafitra ity. Sao dia politika hafa mihitsy no tiana atao ?

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *