Socio-eco

FAMBOLEN-KAZO MAHARITRA : Hahazo tombony ireo tantsaha eny Andramasina


Zana-kazo 25.000 no hambolena  amin’ny tany mirefy 24 ha eny Andramasina ao anatin’ny dimy taona. Io no vina napetraky ny Fondation Axian ho fandraisana anjara amin’ny fiarovana ny tontolo iainana. Niaraka namboly hazo teny Andramasina  ireo mpiara-miasa 150, mpilatsaka an-tsitrapo avy amin’ireo orinasa mivondrona ao amin’ny Group Axian ny 07 desambra 2020. Zana-kazo 2.500 no voavoly nandritra ny tontolo andro.

Araka ny fanazavan’ny tomponandraikitry ny serasera ao amin’ny  Fondation, Rajemison Dina fa ao anatin’ny fiarahamiasan’ny Fondation Axian amin’ny orinasa Bôndy amin’ny fanatanterahana ny fandaharan’asa fambolen-kazo maharitra ity hetsika ity. Mampiavaka ny tetikasa ny fampandraisana anjara ny olona eny ifotony. Tantsaha 30 no miara-miasa  amin’ny Bôndy ka eny  amin’ny tanin’izy ireo no hambolena izy zana-kazo. Nosafidiana manokana ireo hazo miaro tontolo iainana sy misy fiantraikany  mivantana fiainana andavanandron’ny mponina. Karazan-kazo 17 isa toy ny hazo fihinam-boa (paiso, paoma), hazo fatao kitay na saribao,  hazo sy voly mampidi-bola (Ravintsara, episy…) no nosafidiana. Hiteraka asa ihany koa ny tetikasa toy ny « pépiniériste »…

Nirina R.


One comment on “FAMBOLEN-KAZO MAHARITRA : Hahazo tombony ireo tantsaha eny Andramasina

  1. Pingback: FAMBOLEN-KAZO MAHARITRA : Hahazo tombony ireo tantsaha eny Andramasina - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *