politique

FAHAVITRIHAN’NY MPIFIDY : Mahamarin-toerana ny mpitondra ho lany eo


Raha atao ny jery maimaika, 30 % eo taham-pahavitrihan’ny mpifidy tamin’ny tapak’andro maraina. Rehefa avy nitsidika ireo biraom-pifidianana sasantsany  tao amin’ny distrika an’Ambohidratrimo ny  filohan’ny vaomiera mahaleotena mikarakara ny fifidianana (CENI) sy ireo mpiara-miasa aminy ary ireo mpanaramaso iraisam-pirenena momba ny fifidianana sy ny solontenan’ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny 19 desambra 2018 maraina dia nahita fa nirindra sy ny nilamina ny zotram-pifidianana amin’ny ankapobeny.

Nambaran’ny filohan’ny Ceni fa afa-po izy tamin’izay toerana nanaovana fitsidihana ny tapak’andro maraina.  Torak’izay ihany koa ireo delegasiona niaraka taminy. Nisy delege ny kandida avokoa ireo biraom-pifidianana  nanaovana fitsidihana toy ny tao amin’ny lisea teknika  Alarobia, ny Epp Ivato village ary ny lisea Talatamaty. Nirindra sy ny nilamina ihany koa ny fitazomana ireo biraom-pifidianana. “Hirariana hitovy amin’izay ny biraom-pifidianana manerana an’i Madagasikara”, hoy hatrany filohan’ny Ceni. Manentana ny rehetra ihany koa ny tenany mba hanefa ny adidiny satria mahamarin-toerana ny mpitondra ho lany eo ny taham-pahavitrihan’ny mpifidy.

Lynda A.


One comment on “FAHAVITRIHAN’NY MPIFIDY : Mahamarin-toerana ny mpitondra ho lany eo

  1. Pingback: FAHAVITRIHAN’NY MPIFIDY : Mahamarin-toerana ny mpitondra ho lany eo - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *