Socio-eco

FAHASIMBAN’NY TONTOLO IAINANA : Anisany ny fomba fambolena.


Manao izay ho afany ny rehetra amin’ny tokony hiarovana ny tontolo iainana izay efa tandindon-doza ankehitriny. Nanatanteraka andro amin’ny fomba fambolena maharitra na « Agro-écologiques » ny GSDM sy ireo mpiara-miombon’antoka ny 12 sy 13 Aprily 2018 lasa teo tany Antsirabe. Nidina ifotony izy ireo ka nitsidika sekoly roa CEG Vinany sy CEG Alakamisy Anativato ( annexe ) nanaovana ny tetikasa PAPAM vatsin’ny AFD na « Angence Française de Développement » vola.

Anterivava : RAKOTONDRAMANANA

« Tsy ny doro tanety ihany no manimba ny tany sy ny tontolo iainana fa eo ny fomba fambolena mahazatra hatrizay. Ho ngazana avokoa ireo tanety eto Madagasikara raha tsy misy ny famerenana ny tsiron’ny tany », hoy ny tale mpanatanteraky ny GSDM, RAKOTONDRAMANANA. Izay indrindra no antony nampidirina ny fomba fambolena maharitra amin’ny fandaharam-pampianarana amin’ireo sekoly enina , ny CEG Vinaninkarena, collège privé Aina Vakinakaratra, CEG Betafo, CEG annexe Alakamisy Anativato, CEG Ankazomiriotra ary CEG Vinany izay ao anatin’ny CISCO telo ao Vakinakaratra. Mpianatra 1000 mahery no misitraka an’izany. Tanjona ny afahany ankizy mahafehy sy mampita ity « Agro-écologiques » ity any amin’ny ray aman-dren’izy ireo tsirairay avy. Vokatry ny fampiharana izany tao Vinany, 5,7 Taona isaky ny hekitara ny voka-bary ary mpianatra no nanao izany fambolena izany. Ankoatra izay, nitsidika ireo tanin’olon-tsotra manao ny fomba fambolena maharitra ihany koa izy ireo. Ny « stylosanthes » no ambolena am-pifandimbiasana ireo vokatra mahazatra afahana mamerina ny tsiron’ny tany . Tsy asaina intsony ny tanim-boly anaovana ity fomba fambolena ity sady miaro ny tontolo iainana. Efa mivelatra manerana ny an’i Madagasikara ny « stylosanthes ». Efa betsaka ireo orinasa mamboly azy io mba hamerenana ny nofon-tany ho tsara. Marihana fa faritra 4 no nanaovana ny tetikasa fomba fambolena maharitra ataon’ny GSDM, Vakinakaratra, Vatovavy fitovinany, Atsimo Atsinanana ary Alaotra mangoro.

Nirina R.

Horonan-tsary


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *