Socio-eco

FAHASAROTANA MANDRITRA NY FAMPITERAHANA : Manatsara ny fahaizan’ny rasazy


Nahazo fitaovana fampiterahana hanaovana fanazaran’asa avy amin’ny vahoaka Amerikanina (USAID) ny holafitry ny mpampivelona. Notolorana tamin’ny fomba ofisialy ny 14 aogositra 2018 ireo fitaovana ho ampiasaina ao amin’ny « laboratoire de développement de compétence ». Ho fanatsarana fandraisana an-tanana ny reny sy ny zaza ity toerana ity. Rasazy efa am-perin’asa no hampiasa « laboratoire de développement de compétence » ahafahany mifehy tsara ny asany indrindra raha sendra misy fahasarotana na hamehana mandritra ny fampiterahana, hoy ny filohan’ny holafitry ny mpampivelona, Oméga Razafindraibe Ranorolala.
Ho fanamafisana ny fahaizan’ny rasazy rehefa mampiteraka ireo fitaovana toy ny « mannequin », kojakoja fampiterahana, fitaovana informatika avy amin’ny USAID. Nambaran’ny filohan’ny holafitry ny mpampivelona hatrany fa hifehezana ny teknika vaovao hamonjena ny ain’ny olona rehefa misy fahasarotana na hamehana ihany ireo fanomezana ireo. Tanjona ny hampihenana ny taham-pahafatesan’ny reny sy ny zaza izay tafiditra ao anatin’ny tanjon’ny fampandrosoana maharitra (ODD).

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *