Socio-eco

FAHASALAMANA : Nitombo ny mpitsabo mpanampy sy ny mpampivelona.


Navoaka tamin’ny fomba ofisialy tany amin’ny oniversite Maninday toliary ny mpitsabo mpanampy sy ny mpampivelona tao amin’ny sampam-pampianarana mpitsabo .  Mitondra ny anarana “santatra” ny mpitsabo mpanampy izay miisa 68. “Vonona” kosa ny anarana saloran’ny andian’ny mpampivelona miisa 55. Ny ministeran’ny fahasalamana no ampiasa azy ireo hoy ny ministry ny fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika, Monique RASOAZANANIERA.

Anterivava : Monique RASOAZANANIERA

  “ Fahasalamana ny fototry ny fampandrosoana”. Tanjona ny fampihenana ny tsy fahasalamana indrindra ho an’ny faritra atsimo andrefana. Nifanindran-dalana tamin’ity famoahana mpianatra ity ny fitokanana foto-drafitrasa. Notokanana tamin’izany ny tranom-boky sy efitrano ny profesora ao amin’ny sampam-pampianarana hay soratra ary efitranom-pampianarana ao amin’ny sampam-pampianarana lalana sy fitantanana ao amin’ny oniveristen’i Maninday. Nisy ihany koa ny fanokanana ny tranon’ny oniversite ao Ifaty ary nanomezana “video projecteur” sy solosaina ho an’ny oniversiten’i Toliary. Ankoatra izay, havaozina sy hatsaraina ny rijateny momban’ny LMD. Mandeha ny fankan-kevitra regionaly amin’ireo oniversite sy ny IST momba  izany.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *