Socio-eco

Fahasalamana: Miara-miasa ny mpiara-miombon’antoka


Notanterahana omaly 16 Mey 2018 ny fanaovan-tsonia teo amin’ny ministeran’ny fahasalamana sy ny « système des nations unies » ( OMS, UNFPA, UNICEF…) soloin’ny solotenan’ny ny OMS eto Madagasikara, Charlotte Faty Ndiaye teny Antaninarenina. Miara-miasa tanteraka ireo mpiara-miombon’antoka rehetra amin’ny alalan’ny drafitrasa PTA ( Plan de travail annuel Conjoint ) izay natao sonia izao. Arindra araka ny laharam-pahamena ny ady amin’ireo aretina mety hitranga na misy eto Madagasikara. Midika izany fa misy ny firaisan-kina noho izao fifanarahana izao. « Miray eo am-panatanterahana ny asa ho fanasoavana ny fahasalamam-bahoaka indrindra ny reny sy ny zaza no tanjona amin’izao fanaovan-tsonia izao », hoy ny minisitry ny fahasalamana, profesora Mamy Andriamanarivo . Mitentina 21 tapitrisa dollars kosa ny vola vonona am-piasaina amin’ity drafitrasa PTA ity.

Nirina R.

Horonan-tsary


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *