Socio-eco

FADINTSERANANA MALAGASY: Hohafohezina amin’ny antsasany famoahana entana


Hankalazaina isaky ny 26 janoary ny andro manerantany ho an’ny fadintseranana ka ny “organisation mondiale des douanes” no mikarakara izany. Lohahevitra tamin’ity taona 2019 ity ny sisin-tany “smart”.  Nanamarika izany fankalazana izany ny fadintseranana malagasy. Nambaran’ny tale jeneralin’ny fadintseranana malagasy, Eric Narivony Rabenja fa tanjona amin’ny sisin-tany smart ny tsy hanelingelenana loatra ny entana rehefa mandalo ny sisin-tany saingy mandeha araka ny tokony ho izy kosa ny fanarahamaso ny entana. Mitaky fahaizana miasa anefa izany fa indrindra fiarahamiasa amin’ireo mpiantsehatra rehetra miasa amin’ny eny amin’ny sisin-tany. Manoloana izany, manana hafatra goavana ho an’ny mpiantsehatra rehetra ny tale jeneralin’ny fadintseranana. “Manao antso avo amin’ireo mpiantsehatra miasa eny amin’ny sisin-tany aho. Ndao hiara-hiasa mba ahafahantsika manafaingana  ny olona rehefa mandalo eny amin’ny sisin-tany ary tsy voaelingelina ny olona na ny entana rehefa mandalo ny sisin-tany saingy manaraka kosa ny asa nanankinan’ny fanjakana antsika”.

Hohamoraina

Manana vina hampihena ny faharetan’ny famoahana entana eto Madagasikara ny fadintseranana malagasy. Nanasonia ny fifanarahana momba ny fanamorana ny fifanankalozana ara-barotra an’ny organisation mondiale du commerce (OMC ) ny fanjakana malagasy.  “Afaka dimy taona dia hohafohezina amin’ny antsasany ny famoahana entana eto Madagasikara manomboka any amin’ny fahatongavan’ny sambo manda-pahatongan’ny fivoahan’ny entana eny amin’ny vavahadin’ny seranan-tsambo no tanjona amin’io fifanarahana io. Misy ihany koa ny fiarahamiasa amin’ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny oty ny polisy, zandary… eny amin’ny seranam-piaramanidina”, hoy ny tale jeneralin’ny fadintseranana. Noho izany, hohalefahina faran’izay mora indrindra ny fanarahamaso eny amin’ny sisin-tany. Raha ny fantatra dia adiny enina ny fitazoman’ny fadintseranana ny “conteneur”. Nambaran’i Eric Narivony Rabenja fa tsy hihoatra ny adiny roa ny hitazoman’ny fadintseranana ny “document”,  ny “déclaration” eny amin’ny “circuit jaune” amin’ny taona 2020.

Lynda A.


One comment on “FADINTSERANANA MALAGASY: Hohafohezina amin’ny antsasany famoahana entana

  1. Pingback: FADINTSERANANA MALAGASY: Hohafohezina amin’ny antsasany famoahana entana - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *