Socio-eco

FACULTE DES SCIENCES : Namelabelatra ireo andraikitra eo amin’ny lafiny Tontolo Iainana sahanin’Ambatovy


Nandray  anjara  tamin’ny  famelabelaran-kevitra  izay  nomanin’ny sampam-pianarana « Mention E- CES (Entomologie- Cultures, Elevage et Santé) sy ny « Mention Biologie et Ecologie Végétales » avy ao amin’ny « Faculté des Sciences » eo anivon’ny Oniversiten’Antananarivo, teny Ankatso, ny 17 jona 2022, Ambatovy. Novelabelariny tamin’izany ireo andraikitra eo amin’ny lafiny tontolo iainana sahanin’Ambatovy. Tafiditra ao anatin’ny pôlitikan’ny mangarahara ampiharin’Ambatovy amin’ny alalan’ny fizarana vaovao amin’ny daholobe io hetsika io izay natokana indrindra ho an’ny mpianatra sy ny mpampianatra. Fotoana nahafahan’Ambatovy nampiseho sy nanazava ireo karazan’asa fanarenana mitandro ny tontolo iainana ao anatiny sy manodidina ny toeram-pitrandrahany ao Moramanga. Tamin’izany ihany koa no namaliana ireo fanotaniana napetraky ny mpianatra sy ny mpanabe mikasika ny asa ataon’Ambatovy amin’ny ankapobeny ary indrindra ireo tombontsoa eo amin’ny lafiny toe-karena entin’Ambatovy ho an’i Madagasikara.

Nangonin’ i Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *