politique

F2MF: Naneho ny safidiny ankalalahana ny Malagasy


“Hitanay sahady fa misy ny fanohitohinana ny safidim-bahoaka”. Miantso ny mpanao politika, ny vahoaka Malagasy, ny fikambanana, ny ray aman-dreny ara-drazana… hiandry am-pahatoniana ny voka-pifidianana vonjimaika havoakan’ny CENI sy ny valim-pifidianana ofisialy havoakan’ny HCC ny fikambanana ny miaro ny fampandrosoana, manohana an’i Andry Rajoelina (F2MF). “Mahatsapa ny mpikambana fa nisy sahady  ny karazana fihantsiana nataon’ireo olona sasan-tsasany efa nitondra teto amin’ny firenena  sy ireo kandida sasan-tsasany tamin’ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana voalohany”, araka ny fanambarana novakian’ny mpandrindra ny fikambanana, faritra SAVA, Bemilamina Justin, ny 24 desambra 2018. Manohana ny fanehoan-kevitra mandala ny demokrasia ny fikambanana saingy manameloka kosa ny fanehoan-kevitra mitory fankahalàna mitarika any amin’ny fisaraham-bazana amin’ny samy Malagasy.

“Naneho ny safidiny  ankalalahana ny Malagasy tsirairay”, hoy ny filoha nasionaly ny F2MF, Roland Dominique Rakotonirina. Noho izany, miantso ny kandida tamin’ny fihodinana voalohany mba hitandro ny  safidim-bahoaka. Tsy te hiverina toy ny tranga tamin’ny vanim-potoanan’ny 2002 ny fikambanana ka manao antso avo  an’i Marc  Ravalomanana mba tsy hanao lalan-dririnina ny fitantanana ny firenena. Tsy tokony tarihina any amin’ny korontana intsony ny vahoaka Malagasy.

Lynda A.


One comment on “F2MF: Naneho ny safidiny ankalalahana ny Malagasy

  1. Pingback: F2MF: Naneho ny safidiny ankalalahana ny Malagasy - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *