Socio-eco

ESD: Sekoly ambony tsy mampianatra afa-tsy lalàna sy “science politique”


Zava-baovao. Maro ny vaovao nampitain’ny tomponandraikitry ny ESD (Ecole Supérieur de Droit et de Science Politique) androany 21 novambra 2019. Araka ny fanazavan’ny tale misahana ny fampianarana, Raoera Chandoutis fa  hivoaka amin’ny fomba ofisialy ny 5 desambra 2019 eny amin’ny Yandy By Pass ny tarika indray mihira « Sahy » sy ny « Fiorenantsoa ». Mpianatra miisa 70 no hahazo ny dipaloma Licence sy Master 2 amin’ity famoahana andiany voalohany ity. Nambaran-dramatoa Raoera Chandoutis fa raha tiana hahomby ny mpanao politika eto Madagasikara  dia mila mahay lalàna ary mahay politika ka izay no mahatonga  ny ESD miompana amin’ny lalàna sy ny “science politique”. “Miezaka ihany koa izahay mampianatra ny tanora ho vonona hitantana ny firenena any amin’ny fampandrosoana”, hoy izy .

Nohamafisin’ny  talen’ny fandraharahana an-tsekoly, Randriamifehy Hihobilalaina fa tsy mionona amin’ny fampianarana ny politika politisiana ihany ny sekoly fa ihany koa mamolavola ny mpianatra hahay hitantanana amin’ny lafiny rehetra. Raha ny lentan’ny mpianatra mivoaka ao no resahana dia “raha tsy misy ny kolikoly amin’ny fanadinam-panjakana dia sahinay miteny fa betsaka ny mpianatra avy ato aminay afaka”, hoy izy.

Ankoatra izany dia mampahafantatra ny rehetra ny filoha mpanorina ny ESD, Randrianasolo Franck  fa manana ivon-toerana vaovao manara-penitra ny sekoly, misy ny “cantine”, “salle de fitness”,  “salle de conférence”, “salle informatique”,  efitrano fialàna voly ary trano famakiam-boky.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *