Socio-eco

ENS AMPEFILOHA: Ny fomba hifehezana ny teny anglisy


Hahita vokatra. Sarobidy ho an’ny « parcours formation d’enseignants d’anglais » ao amin’ny ENS (Ecole Normale Supérieure) Ampefiloha ny fanomezana avy amin’ny University Hourigan tamin’ny alalan’ny programa “English Language Fellow”, iarahana amin’ny Masoivohon’i Etazonia eto Madagasikara. Boky miisa 80, solosaina 02, vata fanamafisam-peo no natolotr’ity oniversite any ivelany ity ho an’ny lalam-piofanana mampiofana mpampianatra teny anglisy. Hanampy ny mpampianatra sy ny mpianatra amin’ny fanamafisana ny fahaiza-manaony ireto fitaovana ireto. Notontosaina ny 04 martsa 2020 teny Ampefiloha ny lanonana momba izany.

ENS - Raminoarivony MiranyNambaran’ny tomponandraikitry ny « parcours formation d’enseignants d’anglais », Raminoarivony Mirany fa “tsy vaovao intsony fa mila boky daholo ny mpianatra manerana an’i Madagasikara. Ho anay izay mianatra sy mampianatra ny teny anglisy, tena vao maika mila, efa somary lany andro avokoa ny boky eo am-pelantanana ka ny fahatongavan’ireto boky vaovao ireto dia somary  manavao ny fananan’ny sekoly”. Araka ny fanazavany, misy karazany maro ireo boky ireo, ao ny boky fampianarana teny anglisy. Ankoatra izany dia nilaza ramatoa Raminoarivony Mirany fa tena ilaina ny mpampianatra mahafehy ny teny anglisy eto amintsika. “Araka ny voalazan’ny ministera vao haingana dia tsy ampy be dia be ny mpampianatra teny anglisy”, hoy izy. Ho an’ny sampam-piofanana “mampiofana mpampianatra teny anglisy” ao amin’ny ENS dia mamoaka mpianatra 25 isan-taona ho lasa mpampianatra teny anglisy eny amin’ny liseam-panjakana. Mianatra telo taona izy ireo dia mahazo diplaoma « Licence d’enseignement spécialisé en anglais ».

Fampandraisana anjara

Nahoana no mbola tsy mahafehy ny teny anglisy ny mpianatra aorian’ny kilasy famaranana kanefa nandalina izany nanomboka tamin’ny kilasy faha-enina? Araka ny fanazavan-dRamatoa Raminoarivony Mirany hatrany fa noho ny tsy fisian’ny boky fianarana, ny tsy fampandraisana anjara ny mpianatra, ny ora ampiasaina natokana ampianarana ny teny anglisy, ny fahavitsian’ny mpampianatra, ny tsy fahampian’ny fitaovana no mahatonga izany. “Sahiko ihany no milaza fa misy ankizy mahay miteny anglisy”, hoy izy. Raha ny soso-keviny, ny fomba hifehezana ny teny anglisy dia fampandraisana anjara ny mpianatra ao anatin’ny fianarana. Izay tokony ezahina fa tsy tokony ny mpampianatra ihany no mijoro manome lesona fa ny mpianatra ihany koa mandray anjara mavitrika ao anatin’ny fianarana.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *