Socio-eco

EFOI MADAGASCAR: Hankalazaina any Toamasina ny faha-10 taona ny fikambanana.


« Hetsika telo sosona no hitranga ao amin’ny Toamasina ny 21 ka hatramin’ny 26 novambra 2017. Mandritra ny herinandro, handravaka ny araben’ny fahaleovantena an’ny kaominina ambonivohitra ny hetsika “AVI Lecthis”, ny “salon de savoir-faire féminin” na hetsika ho an’ny fahaiza-manaon’ny vehivavy mpandraharaha ary fankalazana ny faha-10 taonan’ny fikambanan’ny vehivavy mpandraharaha eo anivon’ny ranomasimbe Indiana eto Madagasikara (EFOI Madagascar). Nambaran’ny Filoha Nasionalin’ny fikambanana, Emilie RAKOTONDRAINIVONONA fa miaraka sokafana amin’ny fomba ofisialy ny talata 21 novambra 2017 ny hetsika “ AVI lecthis” sy ny “salon” ho an’ny fahaiza-manaon’ny vehivavy , andiany faharoa. Mifanindran-dalana amin’ny hetsika ny fankalazana amin’ny fomba manetriketrika ny faha-10 taona nijoroany ny fikambanana. “Ny alin’ny 25 novambra 2017 no hanaovana izany ao amin’ny trano fisakafoana “Bateau Ivre” ao Toamasina ihany. Nanasa ireo rahavavy mpandraharaha avy amin’ny firenena eo anivon’ny ranomasimbe Indiana izahay ho avy hanotrona izany. Tsy adino ihany koa ireo filoha mpanorina ny EFOI Madagasikara”, hoy izy. Fampisehoana ny fahaiza-manao Hanamafisana ny fisian’ny fikambanan’ny vehivavy mpandraharaha eo anivon’ny ranomasimbe Indiana io hetsika tontosaina ao Toamasina io. Hampiranty ny fahaiza-manaony amin’ny sehatra isan-karazany ireo vehivavy mpandraharaha Malagasy mivondrona ao amin’ny EFOI Madagasikara. Trano heva 60 mahery no azo tsidihana amin’izany. Araka ny fanazavan’ny filoha nasionalin’ny fikambanana hatrany, fa fihaonamben’ny vehivavy mpandraharaha sy ny vehivavy mpiara-miasa amin’ny mpandraharaha ao anatin’ny fikambanana hafa sy ho fanehoana ny fahaiza-manao ary fizarana traikefa ity “salon de savoir-faire féminin” andiany faharoa ity. Reny mpiahy ny hetsika vadin’ny Filoham-pirenena, Voahangy RAJAONARIMAMPIANINA. Miara-miasa akaiky amin’ny Ministeran’ny indostria sy ny sehatra tsy miankina, ny ofisim-paritry ny fizahantany ao Toamasina…ny fikambanana mba ho tontosa amin’ny antsakany sy andavany ny hetsika rehetra. Marihina fa 500 ny vehivavy mpikambana ao amin’ny EFOI Madagasikara. 19 ny birao mampifandray azy ireo. Faritra 15 no ahitana izany.

Hetsika telo sosona no hitranga ao amin’ny Toamasina ny 21 ka hatramin’ny 26 novambra 2017. Mandritra ny herinandro, handravaka ny araben’ny fahaleovantena an’ny kaominina ambonivohitra ny hetsika “AVI Lecthis”, ny “salon de savoir-faire féminin” na hetsika ho an’ny fahaiza-manaon’ny vehivavy mpandraharaha ary fankalazana ny faha-10 taonan’ny fikambanan’ny vehivavy mpandraharaha eo anivon’ny ranomasimbe Indiana eto Madagasikara (EFOI Madagascar). Nambaran’ny Filoha Nasionalin’ny fikambanana, Emilie RAKOTONDRAINIVONONA fa miaraka sokafana amin’ny fomba ofisialy ny talata 21 novambra 2017 ny hetsika “ AVI lecthis” sy ny “salon” ho an’ny fahaiza-manaon’ny vehivavy , andiany faharoa. Mifanindran-dalana amin’ny hetsika ny fankalazana amin’ny fomba manetriketrika ny faha-10 taona nijoroany ny fikambanana. “Ny alin’ny 25 novambra 2017 no hanaovana izany ao amin’ny trano fisakafoana “Bateau Ivre” ao Toamasina ihany. Nanasa ireo rahavavy mpandraharaha avy amin’ny firenena eo anivon’ny ranomasimbe Indiana izahay ho avy hanotrona izany. Tsy adino ihany koa ireo filoha mpanorina ny EFOI Madagasikara”, hoy izy.
Fampisehoana ny fahaiza-manao
Hanamafisana ny fisian’ny fikambanan’ny vehivavy mpandraharaha eo anivon’ny ranomasimbe Indiana io hetsika tontosaina ao Toamasina io. Hampiranty ny fahaiza-manaony amin’ny sehatra isan-karazany ireo vehivavy mpandraharaha Malagasy mivondrona ao amin’ny EFOI Madagasikara. Trano heva 60 mahery no azo tsidihana amin’izany. Araka ny fanazavan’ny filoha nasionalin’ny fikambanana hatrany, fa fihaonamben’ny vehivavy mpandraharaha sy ny vehivavy mpiara-miasa amin’ny mpandraharaha ao anatin’ny fikambanana hafa sy ho fanehoana ny fahaiza-manao ary fizarana traikefa ity “salon de savoir-faire féminin” andiany faharoa ity. Reny mpiahy ny hetsika vadin’ny Filoham-pirenena, Voahangy RAJAONARIMAMPIANINA. Miara-miasa akaiky amin’ny Ministeran’ny indostria sy ny sehatra tsy miankina, ny ofisim-paritry ny fizahantany ao Toamasina…ny fikambanana mba ho tontosa amin’ny antsakany sy andavany ny hetsika rehetra.
Marihina fa 500 ny vehivavy mpikambana ao amin’ny EFOI Madagasikara. 19 ny birao mampifandray azy ireo. Faritra 15 no ahitana izany.
Nirina R.

[/vc_column_text]

HORONAN-TSARY


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *