Socio-eco

EFOI MADAGASCAR: Ho ampiana tosika ireo vehivavy manana tetikasa


Hahatonga ny vehivavy  ho matihanina amin’ny sehatra marolafy. Tetikasa roa no nampahafantarin’ny EFOI (Entreprendre au Féminin Océan Indien) eto Madagasikara sy ny  PNFDDSA (Plateforme Nationale Femme, Développement Durable et Sécurité Alimentaire) teny Antaninarenina omaly 4 novambra 2019. Tohanan’ny FAO (Sampandraharahan’ny firenena mikambana misahana ny sakafo sy ny fambolena) ny tetikasa FFF (Forest and Farm Facility) izay atao any faritra Sofia  (distrika Mampikony sy Port-Bergé). Valo volana ny faharetan’io tetikasa io. Ny  BAD (Banky Afrikana ho an’ny Fampandrosoana) sy ny COI (Commission de l’Océan Indien) kosa no manohana  ara-bola ny tetikasa ho atao any amin’ny faritra Atsimo Andrefana, Ihorombe ary Matsiatra Ambony.

Vehivavy 150 avy amin’ireo faritra ireo nahazo fampiofanana momba ny fampandrosoana maharitra, fahampiana ara-tsakafo ary ny ady amin’ny fiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro. Araka ny fanazavan’ny filohan’ny PNFDDSA, Nohasilalao Nomenjanahary Ambinintsoa Lucie fa fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo vehivavy ho lasa matihanina no tanjon’ny tetikasa. Vehivavy folo isaky ny faritra no ho tsongaina amin’izy 150 mirahavavy  ho lasa matihanina eo amin’ny sehatry ny  asa tanana, fiompiana, fambolena, jono, fambolen-kazo sy fambolena hazo fihinam-boa  ary ho tohanana ny tetikasan’izy ireo aorian’ny  fiofanana.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *