Socio-eco

E-MEDIA: Manofana ireo tsy manana BAC


Efa misokatra ny fisoratana anarana ho an’ireo mpianatra te handalina ny asa momba ny sary (image) n any feo (son) na ny «web» kanefa tsy manana diplaoma bakalorea. Rehefa nandalo tao amin’ny kilasy famaranana dia afaka misafidy ny iray amin’ireo. Natao ho an’ny mpianatra manana diplaoma BAC ihany koa ity fampiofanana arak’asa ao amin’ny E-media ity. Lasa teknisiana amin’ny resaka sary na feo na «web» ny mpiofana mivoaka amin’ny «centre de formation professionelle» ary mahazo ny diplaoma DTS (diplôme de technicien supérieur).

Manana BAC

Anisany oniversite voalohany nahazo ny fankatoavana avy amin’ny fanjakana ny E-media amin’ny resaka «audiovisuel» sy ny «cinématographie». Tsy very mandeha izany ireo mpianatra mivoaka ao aminy araka ny fanazavan’ny filoha tale jeneraly ny E-media, Rojo Andrianasolo. Ao ireo mpianatra no manana ny orinasany manokana. Betsaka ihany koa ireo miasa amin’ny orinasam-panjakana sy tsy miankina. Natao ho an’ireo manana ny diplaoma BAC indray ny oniversite E-media. Ny «communication audiovisuelle et numérique», ny « marketing publicité et journalisme » ary ny « informatique et télécommunication » ny lalam-piofanana ho an’ny diplaoma Licence. Ireto kosa ny lalam-piofanana ho an’ireo izay te hanohy ny Master : « audiovisuel et cinématographie», « informatique et électronique embarquées », « marketing publicité et journalisme». Raha mila fanazavana fanampiny, eny Tsiadana Ampasanimalo, làlana mankany Ankatso no misy ny «centre de formation professionelle» sy ny oniversite E-media.

Lynda A.

Horonan-tsary


2 comments on “E-MEDIA: Manofana ireo tsy manana BAC

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *