Sport

DREAM TEAM SPORTING CLUB -BASKETBALL: Fanamby ny handrombahana ny tompondaka nasionaly amin’ny sokajy rehetra


Misokatra ho an’ireo te hampiroborobo ny fanatanjahantena fa indrindra ny taranja basketball.  Fanambin’ny Dream Team Sporting Club (DTSC) ny handray anjara amin’ny lalao iadiana ny tompondaka nasionaly amin’ny sokajy rehetra mandritra ny taom-pilalaovana 2020 ho an’ny taranja basketball. Ny taona 2010 no niforona ny klioba, efa mahatratra 150 ny mpilalao mivondrona ao ary “licenciés” ny 100 amin’ireo. Ahitana an’ireto sokajy ireto ao amin’ny Dream Team: U12, U14, U16, U18, U20, Senior. Fito ny mpanazatra.

Nambaran’ny filoha mitantana ny klioba, Ramatoa Gandie Asmina tamin’ny tafa ho an’ny mpanao gazety ny 17 martsa 2020 teny 67 Ha fa mitaiza ny tanora amin’ny lafiny fanatanjahantena ny Dream Team. “Ho entina amin’ny lalana mahitsy izy ireo mba tsy hirona any amin’ny zavatra hafa”, hoy izy. Araka ny fanazavany hatrany dia miezaka ny mampisondrotra ireo mpilalao hahazo ny tompondaka nasionaly ny klioba. Tamin’ny taona 2018, norombahan’ny Dream Team  ny tompondakan’ny faritra Analamanga  tamin’ny sokajy  Senior N1B. Tamin’io taona io ihany dia azon’ny  ekipan’ny DTSC ihany koa ny amboara tamin’ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara ho an’ny sokajy U14 sy U18 ary U20. Anisany nanamarika ny tantaran’ny klioba tamin’ny roa taona lasa ihany koa ny fahazoana “Champion 3X3 FIBA Afrique” ho an’ny U18.

Amin’ny ankapobeny, ny saram-pianarana aloan’ny mpilalao miampy ny fanampian’ireo ray aman-dreny no mampiodina ny klioba. Araka ny fanazavan’ny tale misahana ny lafiny ara-teknika, Razafindralambo Bayard fa dimy tapitrisa isan-taona ny tetibola ilaina isaky ny sokajy mandritra ny taom-pilalaovana ary telo tapitrisa Ariary isaky ny fifaninanana. Vonona hiara-hiasa amin’ireo orinasa, fikambanana, olon-tsotra  te hampiroborobo ny fanatanjahantena fa indrindra ny taranja basketball ny Dream Team Sporting Club.

Nirina R. /Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *