Socio-eco

Didim-poitra : Ireo toromarika tokony arahina


Mampitarazoka ny fery amin’ny zaza vao avy natao didim-poitra ny tsy fanajàna ny fahadiovana. Raha ny fomban-drazana Malagasy dia tondrahina “ranomahery” ny filahian’ilay zaza rehefa avy noesorina ilay hoditra manarona ny filahiany (tsitsy). Nambaran’ny dokotera Fidy Bariniaina anefa fa be otrik’aretina ny rano alaina eny an-tanimbary na renirano. Vokany, roa volana vao maina ny ferin’ilay zaza. Rano avy nampangotrahina sy nampangatsiahina no toromarika nomeny hanasana ny filahian’ny zaza avy natao hasoavana. Raha tiana ho sitrana haingana sy tsy hanonitra ny fery dia ampandroana amin’ny rano mangatsiaka isan’andro ny zaza.

Mialoha ny fotoana

Manao didim-poitra amin’ny fomba maoderina ny Clinique Fidy. Tsy mandeha rà ary tonga dia afaka mandeha ny zaza aorian’ny fanapahana ny tsitsiny. Mba hampamaina ny fery haingana dia misy fanafody omen’ny dokotera. Iray minitra eo dia vita ny didim-poitra raha ao amin’ny Clinique Fidy. Araka ny fanazavan’ny dokotera Fidy Bariniaina fa vao teraka ny zaza dia efa afaka atao famoràna saingy mety kokoa raha efa mahatandrin-tena ilay zaza (manomboka eo amin’ny faharoan-taonany) mba tsy ho voadodoana ny filahiany. Tsara raha alohan’ny fampidirana ny zaza an-tsekoly ny hamoràna azy mba tsy hiteraka tahotra ho azy. Nohazavain’ny dokotera Fidy fa miteraka tahotra ho an’ny zaza ny didim-poitra. Hampitamberina ny fotoana nanapahana ny filahiany rehefa misy olona mivorivory. Nohamafisin’ny dokotera ihany koa fa zava-dehibe ny fampahafantarana an’ilay zaza fa ho atao didim-poitra izy mba tsy ho tampoka aminy. Manefy ny toetran’ny zaza ho lasa matahotahotra ny tsy fahafantarany ny zava-hitranga.

Lynda A.

Horonan-tsary


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *