Socio-eco

DHD :Tsy mahatoky ny CENI


Ilaina amboarina ny fitsipi-dalao raha tiana hahomby sy azo antoka  ny fifidianana. Tsy laharam-pamehana ny fanatanterahana ny fifidianana fa ny eo ihany ny eo ho an’ny antoko politika Dina maHa-olona sy Demokrasia (DHD). Tsy mahatoky  ny birao mahaleo tena misahana ny fifidianana (CENI) ity antoko tarihin’i Hary Naivo Rasamoelina ity. Nambaran’ny fa namory  ny mpanao politika rehetra ny CENI ho fikarakarana ny fifidianana kanefa tsy nisy notanterahana izay noresahana tamin’izany. Amin’ny fomba ahoana no hinoana fa hangarahara ny valim-pifidianana amin’ity taona ity ? Faharoa, raha mbola misy dian-tanan’ny vahiny ny raharaham-pirenena eto amintsika dia ny tombontsoan’izy ireo ihany no katsahin’izay hitondra eo.  Atao an-jorom-bala ny tombontsoan’ny vahoaka Malagasy amin’izay fotoana izay.  Noho izany, na hanova rafitra  aza kanefa manome vahana ny mpangoron-karena, tsy fanorenana ifotony izany. Endrika fanjahana vaovao izany.

Tokony mijanona amin’ny fiarahamiasa ihany koa  no atao amin’ny firenena vahiny. « Olom-pirenena no tompon’ny fahefana ary masi-mandidy  amin’ny fiainam-pireneny ny Malagasy », hoy i Hary Naivo Rasamoelina. Raha tiana ny hisian’ny fanorenana ifotony dia mila manova toetra ny mpanao politika. Ny fikatsahana ny tombontsoan’ny vahoaka Malagasy no tokony ataony.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *