Socio-eco

DES LEMURIENS AU PAYS DES CIGOGNES: Hetsika fampisehoana ny maha Malagasy any Strasbourg.


Sambany tamin’ny tantaran’ny toe-karena Malagasy no nisy hetsika natokana ho fampirantiana ny maha Malagasy any Strasbourg. Mandritra ny fito andro be izao no hanaovana izany, any amin’ity tanan-dehibe an’ny Eropeanina ity. “…des lémuriens au pays des cigognes”, hetsika ara-barotra hampahafantarana ny fomba fanao sy fahaiza-manao rehetra mampiavaka ny firenena Malagasy toy ny sakafo, asa tanana, fizahan-tany, ny kolotsaina…
Fotoan-dehibe ara-ekonomika hihaonan’ireo mpandraharaha sy mponina any Strasbourg sy mpandraharaha Malagasy izany ny faha-22 ka hatramin’ny 28 ny volana May 2017 eny amin’ny « place Dauphinne Strasbourg ».

Nambaran’i Stéphanie RATRIMOSON, mpikarakara fa tafiditra indrindra ao anatin’ny fanatsarana ny fifanaraham-piarahamiasan’i Lafrantsa sy Madagasikara ity hetsika karakarain’ny Ministeran’ny Indostria ny fampivoarana ny sehatra tsy miankina, ny tranoben’ny varotra sy ny indostria eto Antananarivo ary ny fikambanana Event ity.
Ankoatra ny fampirantiana, hisy ny famelabelarana hampahafantarana ireo mpitsidika ny fomba fanao taloha ny ankehitriny, ny karazana nahandro tena Malagasy…

Azo atao ny misoratra anarana ho an’ izay maniry handray anjara amin’ity hetsika ity ao amin’ny tranokala www.alsace-lemur.com.
Nirina R.

HORONAN-TSARY


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *