Socio-eco

Dama Mahaleo: “Ho filohampirenen’ny fokonolona”


Taniketsan’ny demokrasia ny fokonolona. Ao no ivon’ny teny ierana sy soa iombonana, hoy i Dama ao amin’ny tarika Mahaleo. Nambarany tamin’ny fomba ofisialy ny sabotsy 30 jona 2018, teny amin’ny kianjan’ny ESCA Antanimena fa ho kandida amin’ny fifidianana filoham-pirenena ny tenany. Rasolofondraosolo Zafimahaleo no tena anarany. Mpahay fiarahamonina izy. Manambady ary manan-janaka mianadahy. Efa solombavambahoaka ihany. Namorona toerana fampiofanana ny tantsaha hifamatotra amin’ny tany ao Morondava izy sy ny vadiny.
Valimbabena
“Raha izao no mitohy dia handova dezaka ny taranantsika”. Nanosika azy ho anisany ho fidiana amin’ny fifidianana filohampirenena ny fisian’ny antsana lehibe eo amin’ny mpitondra sy ny entina. Lasa tohatra fiakarana fotsiny ny fasaharinan’ny vahoaka ary entina hanamafisana ny seza fa tsy misy akory ny fampandrosoana, hoy izy. Hamerina ny hasin’ny fokonolona ny tenany raha lany eo. Miainga amin’ny fiarahamientan’ny fokonolona ny hampandrosoana an’i Madagasikara. Teny filamatry ny antoko politika Valimbabena ho an’ny Madagasikara izay tarihin’i Dama rahateo izany. Ho tahaka ny fitsirian’ny akondro ny rafitra hitondran’i Dama ny firenena Malagasy. Rehefa mitombo ny akondro dia miondrika mijery ny tany ary mamela taranaka ho azy. Izay no atao hoe: “valimbabena”. Nahita soa tamin’ny tany ary mamaly izany. Zava-mitranga ankehitriny anefa toa mamotika sy manao tantely afa-drakotra ny harena voajanahary ny Malagasy. Ohatra azo tsapain-tanana ny fitrandrahana ny harena an-kibon’ny tany, ny fanapahana ny ala…Tsy hisy ho lovaina intsony ny taranaka fara-mandimby raha izany no mitohy. Ao anatin’ny vinan’ny antoko politika Valimbabena ho an’i Madagasikara ny fitantanana ny ranomasina, ny ranomamy, ny tany ary ny harena ao aminy ho lasa fampandrosoana.

Lynda A.

Horonan-tsary


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *