Socio-eco

DAH MAMA : Nizara fanomezana ho an’ny reny sy ny zaza marary.


Mpanakanto tsy izoviana amin’ny Malagasy i Dah-Mama. Isan-taona izy no manome fanomezana ho an’ny mpiray tanindrazana aminy. Tamin’ity taona ity,  reny sy ny zaza marary miisa 18 tao amin’ny “Hopital mere et enfant Ambohimiandra” no nahazo ny anjarany, toy ny vatomamy, vovo-tsavony, savony, vola… Ho fanampiana  azy ireo amin’izao fety ho avy izao. Tsy diso anjara ihany koa ny hopitaly satria nanolotra lay misy ody moka miisa 30 ity mpanakanto ity.

Efa ho enin-taona izay no nanaovany izao hetsika izao ka vola azony amin’ny fampisehoana ihany no  atokany amin’ny asa sosialy ataony.

Talohany ity hetsika ity, nizara vary amin’ny gony, siramamy, vatomamy ary vola ho an’ny reny sy ireo zaza marary tamina toeram-pitsaboana tany Mahajanga izy.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *