Socio-eco

CYBERCRIMINALITE: Misokatra ny varavarana ho an’ireo iharam-pahavoazana


Voasazin’ny lalàna ny fihoaram-pefy amin’ny fampiasàna ny tambazotran-tserasera toy ny fitarihana olona tsy ampy taona hanao mamoa-fady, ny fangalarana ny mombamomba olona iray, ny fanompàna olona, ny fitarihana adim-poko, ny  fisolokiana… Tsapa anefa hoy ny ministry ny serasera sy ny kolontsaina, Andriatongarivo Rakotozafy Lalatiana fa marobe ny tranga momba ny heloka atao amin’ny fitaovan-tserasera (cybercriminalité) kanefa tsy mahafantatra ireo iharam-pahavoazana hoe aiza no itodihana. Ho fanampiana azy ireo indrindra no antom-pisian’ny rafitra miady amin’ny heloka atao amin’ny fitaovan-tserasera na ny “cellule de la lutte contre la cybercriminalité” na CLCC. Nampahafantarina tamin’ny alalan’ny varavarana misokatra, natao teny amin’ny tranom-bokim-pirenena Anosy androany 16 aogositra 2019 ny asa sahanin’ity rafitra eo ambany fiadidian’ny ministeran’ny serasera sy ny kolontsaina ity.  Nambaran’ny mpandrindra ny CLCC, Lieutenant Colonel Andrianarisaona Herilalatiana fa rafitra hifanampy amin’ny polisim-pirenena sy ny zandarimariam-pirenena amin’ny ady atao momba ny “cybercriminalité” ny CLCC fa tsy araky ny tsaho mandeha fa hanafoana ny rafitra efa misy.

Andraikitra voalohany ho sahanin’ity rafitra ity ny fanabeazana ny olom-pirenena mba hampiasa ny fitaovan-tserasera toy tambazotran-tserasera isan-karazany (facebook, twitter…) ho amin’ny mahasoa, ny fampahafantarana ny lalàna mifehy ny “cybercriminalité”, ny sazy miandry ireo mihoa-pefy. Hanampy ireo iharam-pahavoazana  vokatry ny fampiasàna ny tambazotran-tserasera, hanohana azy ireo araky lalàna fa indrindra ny fitondrana ny raharaha eny anivon’ny mpitandro filaminana ny CLCC. Mbola voafaritra ao anatin’ny anjara asany ihany koa ny fanenjehana ny manao tsy mety. “Ndao hampiasaina ho an’ny mahasoa ny tambazotran-tserasera”, araka ny fanentanan-dRamatoa ministra ho an’ny  olom-pirenena.

Lynda A.


19 comments on “CYBERCRIMINALITE: Misokatra ny varavarana ho an’ireo iharam-pahavoazana

  1. Josette RAZO

    Bonjour!
    Miala tsiny aho raha manoratra izao ttsy izao fa mba te hahala bebekokoa mombany « demarche » atao @ fahavoazana mikasika ny fanaovana publication fanalana baraka @ zavatra tsy marina , AZO POROFOINA Tsara fa tsy marina , inona no tokony hatao ? misaotra tompoko!

  2. Elysette

    Miarahaba tompoko,efa tratran io fanalana baraka Amin NY tambajotra serasera io za de nametraka fitoriana teny Amin NY police,fa hatramin zao toa arirariran dry zareo ihany,tsy mipetraka ntsony NY zo Amin NY Maha olona.

    • Salama tompoko; mba mangataka fanampiana tompoko fa very telephone tamin’ny 27 Mai 2023 lasa teo iny . Ny raha jiaby momba ilay telephone aty amiko ary « Marque finday dia: Google pixel 3xl ». Tena mila vonjy tompoko .

  3. Jurio BILO

    Azafady indrindra fa mba hanao fitarainana kely momba ny fb fa misy manao pirate ny compte ko de mandefa message amin’olona maro ato hoe mody mangataka vola, mba tiako tadiavina iza no manao izanay.
    Ity ny IP 154.126.19.143
    Misaotra tompoko

  4. Yves Fabrice Rakotonandrasana

    Bonjour à vous. J’ai une requêtte à vous adresser. Je ne sais pas si cela fait parti de votre action. Ma femme a un compte Nommé Helina Helina. Le numéro de téléphone pour la création de ce compte est 033 19 447 02. Ce numéro a été desactiver par artec car c’était trop tard pour l’enregistrement. J’ai des renseignement très important dans ce compte facebook. Pourriez-vous faire quelques chose pour pouvoir acceder dans ce compte.
    Meilleures salutations

  5. Hector

    Salama tompoko,mba mila ny contact cybercriminalité de Madagascar, tompoko,fa misy olona mandefa2 message mandrahona sy miteny ratsy,inona no tokony hatao.

  6. Noëlla

    Bonjour, MBA hanontany procédure tokony hatao raha Sendra ka solokian’olona manao an’ireny vente en ligne ireny, nomeny Aby n’y numéro andefasana vola na tamin’ny orange na tamin’ny Telma.

  7. bonjour,cach point za tompoko dia nisy olona niantso milaza ho piasan’ny telma,kay ity izy olona pisandoka ary nataony retrait daholo ny soldko rehetra tompoko.inona tompoko no démarche tokony arahiko?mervi

  8. Avizara Fabrice

    Salama Tompoko ! azafady fa niaharany fisolokiana tamin’y « Vente en Ligne », Avy aty Diego zah no nanafatra entana any Antananarivo. Ts aiko izo no olona tokony Antsoina ijady ilay olona mb amerina ny vola . Maromaro iany mombamaba le olona aty amiko . Misaotra betsaka !

  9. Sonia

    Azafady indrindra tompoko fa nisy nanao pirate ny compte facebook fampiasako ka tsy afaka misokatra intsony na amin’ny numero na amin’ny mail nefa lay compte tsy maty fa visible,ka sao mba misolution avy aminareo mba ahafako mirecuperer azy an io compte .Misaotra indrindra

  10. Stephan RALISON

    Salama tompoko,
    izaho dia nisy nanendaka ary lasan’ireo mpanendaka roa lahy ny findaiko.
    Marque samsung GALAXY a20e
    Saika mba hila fanampiana hoan’izay afaka manampy ny dingana arahana raha ohatra ka hitady izay finday izay azafady. maririhko etoana fa ananako avokoa ny mombamomba io finday io ary izaho no tompony.

    izaho dia afaka antsoina amin’ny laharana 034 35 653 93 tompoko.
    Misaotra betsaka mialoha sahady.

  11. RAMAMBAZAFY FENOHASINA ANDRIANINA

    zaho io manko vaky trano de lasa any ny telephonko de mba tiako ho localisena,zany hoe posible ve azo localisena ny toerana misy io phone ko io @ zao

  12. Randriamampianina Benjasoa

    Izao dia voasolokin’i Fanisoa Diana no anarany ao am FB, milaza fa moa moins rambola « global finance » izy, ity ny numéro watshap ny

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *