Socio-eco

CYBERCAFES: Mangataka ny fampitsaharana na fanafoanana ny fandoavana faktiora volana Aprily


Miantso ny Prezidan’ny Repoblika hanao fanelanelanana amin’ny FAI (Fournisseur d’Accès Internet). Manoloana ny zava-misy eto amin’ny firenena noho ny otrikaretina Coronavirus sy ny fampiharana ny fepetra noraisin’ny Prezidan’ny Repoblika mba ifehezana ny fiparitahan’io areti-mandoza io dia “mangataka amin’ny fanjakana mba hanelanelana @ ireo FAI toy ny Telma, Orange, Airtel, Blueline ireo fivondronan’ny mpitantana ny “cybercafés” manerana ny Nosy. “Mangataka izahay ny ijeren’ny mpitondra fanjakana indrindra ianao Andriamatoa Filoham-pirenena fa anisan’ny PME  tsy manan-tsafidy manoloana ity aretina ity izahay”, hoy ny solontenan’ireo mpisehatra amin’ny “cybercafés”. Nambaran’izy ireo fa rehefa tsy misokatra ny “cyber” dia tsy misy ny vola miditra entina hanefaina ny faktiora. “Ny fampitsaharana na fanafoanana  ny fandoavana ny faktiora ho an’ny volana aprily 2020 sy ny volana ho avy raha mbola maharitra ny “confinement” , eny na ho tapahan’ireo FAI aza ny connexion internet” no hangatahan’izy ireo.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *