Socio-eco

CUA: “Manao fitadiavam-bola mihoa-pampana”


Nanao fanambarana ny teo anivon’ny prefektiora an’Antananarivo Renivohitra momba ny fidiram-bolan’ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA). Mbola ao anatin’ny teti-bolan’ny CUA 2018 ihany ny fangalana iray alina isan’andro amin’ireo fiara vaventy mivezivezy manodidina ny Tanana. “Tsy ao anatin’ny lalàn’ny vola sy ny « code général de l’impôt » anefa izany. Tsy manara-dalana ny kaominina satria manao fitadiavam-bola mihoam-pampana », hoy ny Prefet de police, Angelo Christian Ravelonarivo. 600 tapitrisa Ariary ny vola tokony hiditra amin’ny orinasa “easy park” raha ny fifanarahany tamin’ny kaominina. 20 % amin’izany miditra ao amin’ny kitapom-bolan’ny kaominina. “Raha nandeha tao amin’ny mpitam-bola ny tenako dia tsy nahitana vola niditra avy amin’ny fandoavana “parking” izay tantanin’ny “easy park” tao. Nanazava tamiko anefa ny Tale jeneralin’ny “easy park” fa efa nalain’ny tomponandraikitry ny kaominina an-tanana ny vola. Nitsikera ny tetibolan’ny CUA 2018 ihany koa ny teo anivon’ny prefektiora fa tsy mazava ny fandaniam-bola sasany toy ny filazana fandoavana karama ny “agent”. “Tsy voalaza ao anatin’ny boky mirakitra ny teti-bola hoe: “agent” inona no tiana ambara” Milaza fanampim-panazavana ny tenako”, hoy ny “prefet de police”.

Nirina R.

Horonan-tsary


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *