Socio-eco

« CONTENEUR » 12 AO AMIN’NY ORINASA IMEX : Mijaly ny tompon’entana


Narindrin’ny fadintseranana efa ho iray volana sy folo andro ny fitahirizana entana ao amin’ny orinasa IMEX. « Tsy zakan’ny mpanjifa intsony ny tsy fivoahan’ny entan’izy ireo ka nahatonga anay ao amin’ny orinasa nampahafantatra sy namory azy ireo mba nifanazava sy nifampizara ny zava-misy. Nilaza izahay fa tsy miankina amin’ny orinasa IMEX ny tsy fivoahan’ny entan’izy ireo. Manao antso avo amin’ny tomponandraikitra ao amin’ny fadintseranana mba ho jerena farany izay haingana izao olana izao », hoy ny mpitantana, Claudine Rajaonarivelo.
Mpanjifa madinika miisa 200 no tompon’ireo « Conteneur » 12 mihitsoka ao amin’ity fitahirizana ity ary olona 1000 no voakasika mivantana ny olona haterak’izany. Tompon’entana 15 na 20 no mitambatra « Conteneur » iray. Mahatsiaro mangirifiry izy ireo satria misy ny nindram-bola tany amin’ny banky, nanao fifanarahana ka voaenjika eny amin’ny fitsarana.
Nomarihan’ity mpitantana ny orinasa ity fa fitahirizana tsy miankina amin’ny fanjakana ny ao amin’ny IMEX fa saingy alohan’ny ahatongavan’ny « Conteneur » ireo kosa dia mandalo ao amin’ny « sous-douane » aloha. Rehefa vita ny fanadihadiana ataon’ny mpiasan’ny fadintseranana vao mankany amin’ny fitahirizan’ny IMEX. Izy ireo mizara izany any amin’ireo mpanjifa. Milaza kosa ny ao amin’ny fadintseranana fa misy hosoka ny fanambarana ny entana ary nolazain’izy ireo ny mpanjifa ihany koa izany. Tsy mbola vita akory ny fijerena ny fanambarana ireo entana koa ahoana no ahafahana milaza fa misy hosoka, hoy hatrany ity mpitantana ity.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *