Socio-eco

« COMMISSARIAT CENTRAL D’ANTANANARIVO VILLE »: 50 taona amin’ity taona ity


Mankalaza ny taon-jaobily amin’ity taona 2019 ity ny « Commissariat Central d’Antananarivo ville ». 50 taona taona katroka tamin’ny 01 Aprily 2019 lasa teo izany satria ny 01 Aprily 1969 no naorina izany.

Natomboka tamin’ny fomba ofisaily ny 31 Martsa 2019 izany fankalazana  ka nisy ny fanompoam-pivavahana iraisam-pinoana teny amin’ny Katedraly iraisam-pirenena Andohalo. Ankoatra izay dia notohizana tamin’ny alalan’ny fanomezam-boninahitra ny faneva izay natrehan’ny minisitry ny filaminan-bahoaka, Rafanomezantsoa Roger.

Narahina fitokanana ireo fotondrafitr’asa vaovao, toy ny « système de vidéo surveillance » vaovao, ny fanavaozana ny biraon’ny Commissaire Central, ary trano fanaovam-bolo vaovao. Tao alohan’izany rehatra izany dia nisy ny fiaraha-misakafo maraina am-pirahalahiana nandraisan’ireo lehiben’ny polisy isan’ambaratongany anjara.

Teo ihany koa ny lalao ara-panatanjahantena maro samihafa natao hampifandraisana ireo polisy miasa eto Antananarivo renivohitra. Tsy hijanona hatreo ny fankalazana fa mbola hitohy amin’ny alalan’ny fampirantiana maro samihafa, ny varavarana misokatra ary lao-bary an-dasy ho an’ny Malagasy rehetra.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *