Socio-eco

COIN JEUNE TAFA: Hiantoka ny connexion internet sy finday ny Orange Madagascar


Entina hanentanana ny tanora sy hisarihana ny sain’izy ireo ho lasa tompondaka amin’ny lafiny fahasalamana ary ho « Tanora Mendrika Salama » no antom-pisian’ity “coin jeune” TAFA. Amin’ny maha orinasa mandray andraikitra ny Orange Madagascar dia hiantoka ny connexion internet amin’ireo “coin jeune” TAFA izy. Sekoly ambaratonga faharoa (CEG) miisa 22 hametrahana “coin jeune” na ivon-toerana ho an’ny tanora TAFA (TAnora Filamatra Aho). Manerana ny distrika 22 ao anatin’ny faritra Atsinanana, Atsimo Andrefana ary Vatovavy Fitovinany no ahitana izany.  Ny 27 aogositra 2021 tao Toamasina no notokanana ny “coin jeune” voalohany. Hotokanana tsy ho ela ihany koa ireo ivon-toerana hafa. Araka ny fantatra dia ny 17 septambra 2021 ny any Manankara ary  ny 24 septambra 2021 ny any Toliara. Tafiditra ao anatin’ny fandaharan’asa momba ny fahasalamana ACCESS (Accessible Continuum of Care and Essential Services Sustained), vatsian’ny USAID vola ary tantanin’ny Management Sciences for Health (MSH) ity fametrahana ivon-toerana TAFA ity. Miara-miasa akaiky amin’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena ny fandaharan’asa ho  fanamafisana ny fahalalan’ny mpianatra eny amin’ny CEG  amin’ny lafiny fahasalamana.

Hahazo fanabeazana feno momba ny fahasalamana ara-pananahana ireo mpianatra. Isaky ny ivon-toerana dia hisy tanora mpitarika 20, izay avy ao amin’ny sekoly ihany, hanao fanentanana  amin’ny endriny isan-karazany. Hahazo tolotra internet ireo mpianatra mpanentana ary omena finday sy tolotra internet ihany koa ireo mpampianatra sy “superviseurs” ho fanamorana ny fampitàna ireo fanabeazana momba ny fahasalamana.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *