Socio-eco

CNTEMAD: Tsy voatery mandeha lavitra vao afaka mandranto fianarana ambony.


Efa nivoaka ny vali-panadinana enim-bolana voalohany ny Ivom-pampianarana fampitan-davitra CNTEMAD. Araka ny fanazavan’ny Tale Nasionaly, Djohary ANDRIANAMBININA fa   nahafa-po  tokoa vokatra raha ny taham-pahafahana no jerena.

Anterivava : Djohary ANDRIANAMBININA

Etsy ankilany, efa misokatra ny fisoratana anarana ho an’ny taom-pianarana manaraka.

Manampy ny mpianatra tsy hiakatra an-drenivohitra na handeha lavitra ny fampianarana fampitan-davitra. Mampihena  ny vola ilaina amin’ny fanohizana ny fianarana ambaratonga ambony ihany koa. Nambaran’ny Tale Nasionaly fa tanjon’ny fitondram-panjakana ny hampanakaiky ny vahoaka ny oniversite. Vao tsy ela akory izay no notokanana ny tendro mampitohy ny CNTEMAD any Betafo Antsirabe, Manjakandriana ary Amparafaravola.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *